NIVAROTRA YAOURT LANY DATY

Mpivarotra amoron-dalana iray no nadoboka am-ponja


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Mpivarotra yaourt amoron-dalana iray teny Isotry teny no fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ny

datin’ny 24 Jona lasa teo. Raha araka ny fantatra dia yaourt efa lany daty io namidiny io. Nokosehiny ilay soratra misy ilay daty farany hahafahana mihinana ilay yaourt ary nosoloiny teboteboka tamin’ny marker. Efa mailo anefa ilay orinasa mpanamboatra ity karazana yaourt ity ka nandefa mpanara-maso nidina teny an-tsena. Tena nahatratra tokoa ireto farany ka nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany. Ireto farany indray no nanao ny asany nisambotra ilay tsy mataho-tody ka naiditra am-ponja vonjimaika izy rehefa avy natao fanadihadiana. Anisan’ny nanampy ireo irak’ity orinasa mpanamboatra yaourt ity moa ny sampandraharaha misahana izany eo anivon’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana antony nahamora ny fisamborana ilay mpivarotra. Ankoatra ny eny Isotry dia anisan’ny toerana tena ahitana betsaka ireo olona mivarotra entana efa lany daty ihany koa ny eny amin’ny Petite Vitesse…indrindra fa ny sakafo.
Pati
Legende : Ilana fitandremana tsara ny fijerena ny daty amin’ny yaourt sao sanatria efa nosoloin’ny sasany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT