Nivadika ilay lehilahy mpitaiza

Naolany ilay zaza rehefa tsy tao an-trano ny vadiny


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Faritra Itasy, ny 11 Martsa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay fitarainana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fa nisy fanolanana tao amin'ny Fokontany Ampaisokely, Kaominina Miarinarivo tamin’io andro io. Lehilahy mpitaiza ilay zaza ihany io nanolana azy io, hoy ny loharanom-baovao azo. Tamin'ny fotoana tsy nahatao an-toerana ny vadin’io mpitaiza io no nanamparany ny filan-dratsiny tamin’ilay zaza. Efa nosamborina moa ary efa niakatra teny anivon’ny fampanoavana afak’omaly Alatsinainy 25 Martsa ny raharaha. Naiditra am-ponja vonjimaika noho izany ilay lehilahy 26 taona mpitaiza io. Raha araka ny lalana moa dia fantatra fa mety ho avo roa heny noho ny sazy mahazatra ny hahazo ireo olona heverina ho Ray aman-dReny maodely ary mitaiza zaza nefa mivadika amin’ireto farany ho lasa mpanolana tahaka izao. Anisan’izany ohatra ny mpitaiza tahaka ity lehilahy ity, ny mpampianatra, ny mpitandrina….


Pati
Legende Ity ilay mpitaiza nivadika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT