Nitory ry Baba, Clémence, Lily

«Betsaka izay lainga izay ! Adintsika


  • Talata 23 Septambra 2025

rehetra ny olan’ny jiro sy rano fa tsy an’olona telo!»

Nametraka ny taratasy fangatahana teny amin’ny Prefektioran’ny polisy eto Antananarivo ny hanaovana hetsika eny Ambohijatovo ny alakamisy 25 septambra 2025 izao ireo Mpanolotsaina Kaominaly avy amin’ny fanoherana eto Antananarivo Renivohitra miisa 30. Manamafy fa tsy mihemotra ny hetsika na teo aza ny fisamborana natao tamin’i Faniry Alban Rakotoarisoa na Baba sy Clémence Raharinirina ny zoma lasa teo. Namafisin-dRtoa Lily Rafaralahy omaly, fa adidy sy tamberin’andraikitra amin’ny maha olom-boafidy eto Antananarivo no ataon’izy ireo. Nametraka fitoriana izy ireo rehefa tsy voaray ny sabotsy teo izany. Torian’izy ireo ao anatin’io ny Minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena sy ny Minisitra misahana ny filaminam-bahoaka noho ny sambo-dokotra natao ireo olom-boafidy 3 teo am-panantanterahana ny asany sy ny herisetra ara-moraly sy ara-batana natao azy ireo. Nanao fitoriana olona tsy fantatra na « plainte contre X » an’ireo ambaran’izy ireo fa vatan-dehilahy « gros bras » tao anatin’ilay fiara mitondra ny laharana 8182 TBN izy ireo, tahaka izany ihany koa ireo nanome baiko tao ambadik’iny raharaha iny. Nilaza tsy hipetra-potsiny izy ireo, ka ny alakamisy amin’ny 2ora tolakandro no nasaina miverina. Nandefasana dika mitovy amin’io ireo Lehiben’Antoko manana mpanolotsaina monisipaly dia i Marc Ravalomanana izay sady mpitarika ny Firaisankina, Tahina Razafinjoelina Filohan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana, Gascar Fenosoa Filohan’ny Mouvement Gasikara, Siteny Randrianasoloniaiko Filoha lefitra mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena, ny Filohan’ny Malagasy Miara-Miainga Hajo Andrianainarivelo, ny Sekretera Jeneralin’ny Humaniste-Ecologiste Liva Harijaona Tafita Toussaint, ny Antoko Politika Madio, ireo Filohan’Antoko eo anivon’ny Vondrona Firaisankina, ireo depiote avy amin’ny Fanoherana eto Antananarivo, ny depiote avy amin’ny Firaisankina, ny Fiarahamonim-pirenena, Fiangonana, sehatra iraisam-pirenena misa sy monina,… « Ny ady amin’ny tsy fisian-jiro sy rano dia tsy adin’olona 3, fa ny olona rehetra erak’i Madagasikara no mahatsiaro potika asa fivelomana ary rava fiainana ao anatin’izany. Ny vahoaka Malagasy no mahatsiaro hoe : im-piry nomena daty, nolaingana, nampanantenaina fa hatreto tsy misy vahaolana, na dia amintsika miteny izao. Tabataba tany Imeritsiatosika, Sabotsy Namehana, Vontovorona,… », hoy i Lily Rafaralahy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT