Araka ny efa nanampoizana azy, raha ho an’ireo faritra eto Antananarivo sy ny manodidina aloha no lazaina,
nitonitony ny faran’ny herinandro. Andro fiasana vao manjaka ny delestazy, raha ny fitarainana sy fanehoana fahasorenana nataon’ireo mpanjifa ny Jiro sy rano malagasy na JIRAMA omaly alatsinainy aloha. Tena hoe ao anatin’ny ora sy andro fiasanao mihitsy. Mipetraka sahady ny fanontaniana hoe dia sanatria ho toy izay hatrany ve izany no hitranga indray nanomboka iny alatsinainy iny hatramin’ny zoma na sabotsy mihitsy? Efa iniana potehina amin’ny alalan’izy io mihitsy ve ny fiharian’ny be sy ny maro? Aiza ny fepetra raisin’ny minisiteran’ny angovo sa dia ialana bala fotsiny amin’ny hoe efa anjaran’ny JIRAMA izany? Dia mbola ny vahoaka mijaly amin’ny resaka jiro sy rano mahatsiaro ho voatery mandoro kodiarana eny amin’ny arabe rehefa minia manampin-tsofina ihany ny fitondram-panjakana ve izany no mbola lazaina fa manakorontana na mamboly korontana nefa efa manakoako ny feo fa tsy resaka andro intsony fa am-bolana mihitsy, eny, an-taonany maro mihitsy no mitoetra ilay olana? Nolazaina tamin’ny fampielezankevitra sy fitetezam-paritra samihafa nataon’ny filoham-pirenena nefa fa 6 volana eo no hivaha ity olan’ny delestazy ity. Ny rano moa izany izao io dia mampivarahontsana sy mahaonena mihitsy ny maheno fa misy efa tapa-bolana ny an’ny faritra sasany no tsy nandeha. Ny an’ny sasany iray volana na mihoatran’izany mihitsy aza. Tokony mbola hampandry heritreritra mpitondra ve ny tranga toy izany, na atao hoe tsy misahana ilay sehatra ihany aza fa rehefa hoe anatin’izao fitondrana izao fotsiny?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.