Nitondra zaza tsy ampy taona nitsoaka

Noraofin’ny zandary ilay tovolahy


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

koa mitondra azy ireny mitsoaka na dia olon-tianao aza izy. Tovolahy iray 23 taona no fantatra fa noraofin’ny mpitandro ny filaminana rehefa nikasa hitondra ny olon-tiany vao 17 taona monja hitsoaka. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nandeha taxi-moto izy ireo. Tsy naharitra anefa ilay tovovavy kely fa nangataka vonjy tamin’ilay taxi-moto no sady nitantara ny fikasan’ilay olon-tiany hitondra azy hitsoaka. Nampandre ny zandary tao Ankadinandriana avy hatrany ilay taxi-moto ka nosamborina ilay tovolahy raha mbola teo koa ilay tovovavy kely sakaizany.Fantatra fa avy any Miadanandriana distrikan’i Manjakandriana izy roakely ireto. Nantsoina ny Ray aman-dRenin-drazazavavy taorian’izany. Nantsoina koa ny zandarimaria ao Mantasoa izay hisahana ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa vao haingana no nisy tranga fitondrana lehilahy zazavavy tsy ampy taona nitsoaka tahaka izao ary nosamborina itsy voalohany. Roa herinandro aty aoriana anefa dia miverina indray izany ka lasa mampametra-panontaniana.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana eo afovoan’ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT