Nitolagaga ny tovovavy

Vita fora teo amin'ny faha-22 taonany i Roméo


  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Variana ny olona nahita ity tovolahy

mirijarija antsoina hoe : Roméo, natao antsangory teny an-dalana, ny 24 aprily 2026 tao amin'ny Kaominina Mahela, Distrikan’i Mananjary. Nitolagaga ny maro, indrindra ireo vehivavy sy tovovavy tao an-tanàna rehefa nandre ny vaovao fa vao avy natao didim-poitra ilay tovolahy ka izay no nanaovana antsangory azy, tahaka ny fanaon’ny fiaraha-monina amin’ny ankizy, ho mariky ny hafaliana fa tafita soa. Tetsy ankilany koa moa i Roméo naneho ny hafaliany fa “tafajoro ho lehilahy” izy ankehitriny. Hiditra vanimpotoana ririnina ny eto Madagasikara, izay andron-jazalahy rahateo. Saika amin'io vanimpotoana somary mangatsiaka io no anatanterahana ny fora zaza. Mbola kely taona, amin'ny ankapobeny mialoha ny hidirany an-tsekoly no foraina ny zaza lahy kely. Samy manana ny fomban-taniny anefa. Na izany aza mahalana ny tranga toa an'i Roméo ka efa lehibe ny taonany vao atao ny didim-poitra.
Jean D.
Roméo natao antsangory avy noforaina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT