Tsy misy rafitra miafina mitondra ny fahefana politika eto fa…»
Eto Madagasikara i Pierre Bertinotti Grand Maitre na Lehiben’n’ny Ordre du Grand Orient de France (GOdF) sady Filohan’ny filankevi-pitantanan’io fikambanana franc-maçonnerie io. Nilaza fa fitsidihana mahazatra, ka avy tany Caméroun, eto Madagasikara, ary ho atsy Maurice ny tapaky ny jona. Ny Grand Orient de France dia manana 1400 loges, izay toerana iasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fivoriana sy ny asa ara-pisainana, raha ny filazan’io lehibeny io. Ahitana mpikambana 55000 eran-tany, izay lazainity lehibeny ity fa mitombo hatrany. Amin’ireo loges ireo, 108 dia any ivelan’i Frantsa, indrindra any Eoropa sy Afrika, ka tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara sy i Maorisy. Ao amin’ny faritra Afrika sy Ranomasimbe Indianina, ny GOdF dia manana 28 loges, ka ny firenena manana ny maro indrindra dia i Maorisy (8 loges) sy i Togo (6 loges). Eto Madagasikara kosa dia misy loge iray, antsoina hoe Étoile Australe. Misy « Obédience» hafa ankoatra ny Grand GOdF anefa raha ny resany tamin’ireo rahalahiny hafa, ka nilazany fa am-polony eo, ny 9 hatramin’ny 25 eo ny loges ao anatin’izany. 1500 hatramin’ny 2000 ny mpikamban’ny Framasônierie eto Madagasikara.
« TSY MITONDRA MIVANTANA NY FAHEFANA POLITIKA »
Eto Madagasikara, nisy ny fanontaniana nipetraka momba ny anjara toerana sy ny fiantraikan’ny franc-maçonnerie eo amin’ny fiainam-pirenena: “La franc-maçonnerie n’est pas faiseuse de roi.” Tsy misy rafitra miafina mitondra mivantana ny fahefana ara-politika, fa kosa fikambanana ara-pisainana sy ara-panabeazana miorina amin’ny soatoavina sy fitsipika mazava », hoy i Pierre Bertinotti. Milaza ity farany fa ny antony mahatonga ny « perception négative » na fandraisana ho ratsy azy io eto Madagasikara ary tsy eto ihany fa mitovy amin’ny any Frantsa ihany koa, dia « matetika ny olona dia gaga rehefa mahafantatra fa ny mpiara-miasa aminy dia masona. Izany dia vokatry ny tantara sy ny fifandraisana sarotra teo amin’ny masoneria sy ny fahefana, hoy izy. Niorina tamin’ny « Siècle des Lumières » tamin’ny taonjato faha-18 ny franc-maçonnerie, ary ny fototra nananganana azy dia ny « émancipation de l’homme » na fahalalahan’ny olombelona. Izany no mahatonga ny fahefana rehetra, na ara-politika na ara-pivavahana, hanana ahiahy: satria ny masôneria dia manome lanja ny fahafahan’ny olombelona misafidy sy mitondra ny tenany », hoy i Pierre Bertinotti. Ao amin’ny Grand Orient de France, misy mpikambana mpino sy tsy mpino: Protestanta, Jiosy, Silamo, ary koa tsy mino, raha ny filazany, ka ny masoneria dia mihevitra fa ny finoana dia raharaha manokana, ao anatin’ny sehatra manokana, ary tsy misy ady amin’ny fivavahana. Na izany aza, io no anisan’ny heverina fa niteraka ny fijery sy fiheverana fa « franc-maçon» dia te hifaninana amin’Andriamanitra.
« TSY MANAIKY NY FANAVAKAVAHANA »
Ny GOdF dia manokatra ny masôneria ho an’ny lahy sy vavy, ary amin’izao fotoana izao dia 14 % ny vehivavy ao amin’ny fikambanana. Ny masoneria dia tsy antoko politika, tsy sendika, ary tsy fikambanana miaro lohahevitra manokana, fa fikambanana ara-panabeazana sy ara-pisainana miorina amin’ny soatoavina roa lehibe: ny « humanisme » manasongadina ny maha-olona ho ivon’ny fanapahan-kevitra sy ny fiainam-bahoaka sy ny « universalisme », manamafy ny fitovian’ny olombelona rehetra, ka manohitra ny « racisme » sy ny fomba rehetra amin’ny fanavakavahana. Ireo soatoavina sy fitsipika ireo dia ampiharina amin’ny alalan’ny fomba manokana ao amin’ny loge: ny fivoriana indroa isam-bolana, ny fifehezana ny fitenenana sy ny fihainoana, ary ny fanajana ny fotoana sy ny fomba fanehoan-kevitra, raha ny fitantantarany. Amin’ny alalan’ny tolo-kevitra avy amin’ny masona efa ao, na amin’ny alalan’ny fangatahana mivantana ataon’izay te hiditra. Afaka manonona ny tenany fa tsy afaka manonona ny hafa hoe mpikambana na tsia ny mpikambana, ka tsy namaly mazava ho azy i Pierre Bertinotti, raha nanontanian’ny mpanao gazety hoe : niditra ho mpikamban’ny GOdF tokoa ve ny Filoha Malagasy teo aloha Andry Rajoelina sa tsia ?
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.