Nisoloky kafe mitentina 165 tapitrisa Ariary

Ramatoa iray naiditra am-ponja ao Farafangana


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Ramatoa iray mpivarotra any Alakamisy Ambohimaha, Fianarantsoa,

no naiditra am-ponja vonjimaika any Farafangana ny alakamisy teo noho ny fisolokiana, raha ny fampitam-baovao voaray. Reseny lahatra ny olona ary rehefa mipetraka ny fifampitokisana dia hakàny vola be ampiasaina hoe hividianana kafe dia zaraina ny tombony. Ny taon-dasa, olona miisa 2 tany Farafangana no voasolokiny. Ny iray nakany 10 tapitrisa Ariary. Avy eo izy nitsoaka tany Alakamisy Ambohimaha. Ny iray nakany kafe 10 taonina. Nentiny tany Antsirabe sy Antananarivo ireo kafe ka natakalony entana ilaina amin'ny fiainana an-davan’andro hamidy ao Farafangana. Nomeny taratasim-bola tsy nisy anto-bola ny tompon'ilay kafe. Rehefa nohadihadian'ny zandary izy dia niaiky ary nilaza tamin'ny mpitory fa hamidiny ny kamiaony Actros hanomezana ny volany kanjo rehefa lafony ilay fiarany dia volan'olon-kafa any Antananarivo indray no naveriny. Hay izy ity efa nananan'olona vola be tany koa. Farany, tsy azo ny vola be tamin'ilay kafe 10 taonina mitentina 165 tapitrisa Ariary. Tonga nisambotra azy tany Alakamisy Ambohimaha ny zandary avy amin’ny GAPJ Atsimo Atsinanana ary izy izao nampidirina am-ponja izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT