Nisandoka ho iraky ny TGV

Vola 20.000 Ar no nidirana am-ponja


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Vola 20.000 Ar no nidirana am-ponja ho ana lehilahy iray,

54 taona avy any Soavinandriana Itasy, tratra nisoloky tany amin’ny distrikan’Arivonimamo II ny Sabotsy lasa teo. Ny andro anefa fety. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nampanantena ireo mponina tany an-toerana izy fa raha te-hahazo ilay jiro avy amin’ny Fitondram-panjakana dia mila mamandrika dieny izao ary mandoa lela-vola 1.000 Ar isan’olona sy misoratra anarana miditra ho mpikambana ao amin’ny TGV. Efa tonga tao amina tanana kely iray ity lehilahy ity ka vola manodidina 20.000 Ar no efa voahangony. Efa nanao ny asany anefa ny polisy nandritra izany ka nosamborina avy hatrany Ingahirainy. Fantatra tamin’izany fa mpisoloky io lehilahy io. Nilaza ho iraka avy amin’ny foiben’ny ARENA Ankorondrano mihitsy mantsy ny tenany nefa tsy manana taratasy mifandraika amin’izany akory. Ody gasy be manaiky sy akanjo fisolosoloana niampy karatra maha-mpikambana TGV miisa 3 no tratra tany aminy. Toraka izany koa ny sary tapak’olona maromaro sy sakaosy miisa 3.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra nisoloky nilaza ho iraky ny foiben’ny ARENA Ankorondrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT