Nisafidy tsy hankalaza

ny fetin’ny mpifankatia ny RNR


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina

Nisafidy ny tsy hankalaza ny fetin’ny mpifankatia miaraka amin’ireo olon-tiany ny sabotsy 14 febroary teo ireo mpikambana eo anivon’ny RNR na «Rassemblement national pour la refondation» fa nisafidy ny hanome tolo-tanana ireo traboinan’ny rivodoza Gezani, indrindra, tao Toamasina ho mariky ny fitiavan-tanindrazana, hoy ny firaisam-peon’izy ireo tetsy anoloan’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo ny sabotsy teo. Niara-nisalahy tamin’izany teny an-toerana ihany koa ny ben’ny tanànan’ny kaominin’ambanivohitr’i Behompy, distrikan’i Toliara 2, Tony Mamodaly Ismaël. Ny faritra atsimo atsinanan’ny nosy, hoy ny filoha mpanorina ny RNR, Max Fabien Andrianirina, no fantatra fa tena rotik’iny rivodoza iny satria dia potika 90%. Tonga eto, hoy izy, izahay zanaka malagasy, zoky, zandry, rahalahy, anabavy mitondra teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy aina ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao. Ny RNR, izay vondrona itambarana antoko politika, fikambanana, sampan-draharaha na ONG, maro samihafa dia tonga ankehitriny mitondra ny voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo havana traboina. Hampiseho ny RNR fa iray ny malagasy. Tandrovy mafy ny fihavanana fa io no lalana tokana hitondra antsika any amin’ny fiainana metimety kokoa, hoy hatrany ny tenany. Lamba ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 12 taona, lamba ho an’ny vehivavy, ho an’ny raiamandreny, savony, paty sy maro tsy voatanisa no fanomezana nentina, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT