Actualités

Nijininika ny ra teny Ankatso Olona iray vaky loha


  • Alarobia 23 Jolay 2014

Nitohy ny sakoroka teny ankatso omaly. Niverina ny tora-bato sy fandoran-javatra nataon’ny mpianatra

Tovolahy iray sendra nandalo no naratra mafy teo amin’ny lohany, ary nentin’ny Emmo-Reg avy hatrany teny amin’ny klinika Mpitsabo Mikambana tsy lavitra teo. Nirehitra ihany koa ny trano fivarotan’ny Mofoko iray eo am-bavahady fidirana an’Ankatso, saingy nalaky voavonjy. Tetsy an-kilany dia nandefa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo mpianatra ny Emmo-Reg. Milaza ny mbola hanohy ny hetsika hatrany ireo mpianatra raha tsy mahazo valin-teny mahafa-po ny hanondrotana 100% ny vatsim-pianarana, fitakiana izay efa nolavin’ny minisiteran’ny vola fa sarotra ny hanatanterahana. Mihenjan-droa ny tady hatreto ary mbola tantara mitohy ny eny Ambohitsaina eny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT