maloto sy kajikajy ara-politika…
Namoaka fanapahana ny Minisiteran’ny Atitany, fa mihemotra amin’ny fotoana mbola tsy fantatra ny fifidianana sefom-pokontany eran’ny Nosy. Ny teto Antananarivo izay efa nikasa ny hiroso amin’izany ny alahady 26 oktobra, raha ny fanapahana noraisin’ny Prefen’Antananarivo Ravelonarivo Angelo, saingy tsy hotanterahana indray. Nilaza io olom-panjakana io fa efa niomana ny distrika, saingy namoaka ny Minisiteran’ny atitany, fa mihemotra amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra. Ny Prefen’Antananarivo moa no nanapaka fa ny alahady izao no voalaza fa hanaovana ny fifidianana amin’ireo fokontany miisa 192 eto Antananarivo. Nambarany fa efa vonona ny teo anivon’ny Prefektiora sy ny Lehiben’ny distrika. Vao lany ny ben’ny tanàna dia efa niomana, ny satan’ny Kaominina voafaritry ny lalàna 2015-011, rehefa misolo ny ben’ny tanàna, dia misolo ny sefom-pokontany, raha ny fanazavany. Mila fanomanana ny fifidianana, mila fanaraha-maso ny mpanara-maso ny fifidianana. Ny ahiana, isika mbola tsy ao anatin’ny fifanomezan-tsiny, fa raha miteraka korontana sy savorovoro io dia tompon’andraikitra izay nandray fanapahan-kevitra, hoy ny Firaisamonim-pirenena KMF/CNOE mikasika. Mandeha moa ny kajikajy politika amin’izao raha ny eto Antananarivo mikasika ny fanoloana sefom-pokontany. Eo ny fitakiam-bahoaka mandeha amin’ny nahim-pony tamin’ny fokontany sasany mba hanoloana ny sefom-pokontany mihetraketraka, be kolikoly,…. Matetika misy dian-tanan’ny solombavambahoaka volomboasary ny nametrahana ireo sefom-pokontany, saingy manomboka miverina io ankehitriny fa ny olona nanao azy fotsiny no miova. Manomboka mandeha ihany koa ny kajikajy amin’ny fikasana hanatosaka volabe hanaovana kajy politika hahazoana toerana sefom-pokontany,… Mila alamina sy mazava tsara noho izany ny fitsipi-dalao amin’io resaka sefom-pokontany io, raha tena hanova tokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.