Nifoha ny tantaran’ny CONOCO

Velona indray koa ny adihevitra momba ny Madagascar Oil


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Amin’ny 5 maraina, misy mandondona ao am-bavahady, hoy ny akanga sisa nanamboran’ny orinasa

CONOCO, Xavier Rakotoarson, nitantara... i Jean-Pierre Gendry, mpanamory fiaramanidin'ny CONOCO, hoy izy. "Izao dia izao isika dia hanainga ho any Belo-Tsiribihina, hoy izy, malaky ianao, miandry anao eny Ivato ny PDG !" Ny CONOCO na “Continental Oil Company” moa dia orinasa amerikanina nahazo alalana hitrandraka solitany teto Madagasikara ka tamin'iny ilany andrefan'ny nosy iny no nosafidiany hiasana. Ilay filoha tale jeneraly na PDG-ny miandry ahy eny Ivato dia i Jack Ramsdell izay izaho no tanan-kavanany araka ny fifanarahana fa tsy maintsy misy teratany malagasy anankiray mitana toerana ambony ao amin'ny filan-kevi-pitatanan'ilay orinasa amerikanina. Ny anton-dia ho any Belo kosa dia ny handray ireo solontenan'ny fitondram-panjakana malagasy izay sambany mba nasain'ny CONOCO hitsidika izany atao hoe "site de forage" izany. Atsasak'adiny taorian'ny nahatongavanay no indro tafapetraka teo amin'ny seranam-piaamanidin'i Belo koa ilay DC-3, 5RMAA nitondra ny Minisitra Alexandre Rakotozafimahery, miandraikitra ny harena an-kibon'ny tany sy Jean-Albert Zafimahova, lehiben'ny sampan-draharahan'ny “Mines” na harena an-kibon’ny tany teny Ampandrianomby. Adiny iray sy sasany tamin'ny Land-Rober vao tonga teo amin'ilay toerana nantsoina hoe "Anka One", Anka, fanafohezana ny Ankamotra, anaran'ilay tanàna nisy ny toby fitrandrahana. Ho hafohifoheziko ny resaka. Tamin'io andro io no nanambaran'ny PDG Jack Ramsdell tamin'ny fomba ofisialy tamin'ireto solontenan'ny Fanjakana malagasy fa nahita solitany tamin'ny lavaka telo samihafa ny CONOCO, solitany izay nolazainy fa tena tsara kalitao saingy ny "débit"-ny no somary kelikely. Tamin'io fotoana io ihany moa dia norakofana tamin'ny "béton" na rarivato ny tampon'ireo lavaka miisa 3, niaraka tamin'ny tavoahangy izay nisy taratasy tao anatiny mirakitra ny datin'andro nahitana ny solika sy ny pitsopitsony rehetra mikasika ny kalitaony. Jerena avy lavitra, moa va tsy ny fasana vao avy nandevenana ireo toerana miisa 3? Eto dia hamafisiko fa tamin'ny 1971 no nisehoan'ireo notantaraiko ireo. Tamin'ny janoary 1974 kosa, 50 taona katroka lasa izay, no nanapa-kevitra izahay sy Jacob Andriambelo, talen'ny Midi Madagasikara, fa handeha ho any Belo hanao "reportage" na fanadihadiana momba ilay toerana nahitana solika tsara kalitao hanaitaitra ny mpitondra fanjakana ndrao mba mety hisy tombontsoa ho an'ny firenena ny fitrandrahana an'i "Anka One". Inona no hany hita teo amin'ilay toerana? Ny tonon-kiran'i Dox kaloin'i Gabhy no mahavaly azy; "...avoko omban-tsongosongo no hany mamelana, vorona sendra nipetraka no indro mivetso fitserana!"... fa na ireo "fasana" telo aza tsy hita izay nanjavonany! Nampalahelo ny niafaran'ny tantara. Andriamatoa Jean-Albert Zafimahova moa dia maty tamin'ny loza nihatra tamin'ny "hélicoptère" na angidimby nitondra azy, nidona tamin'ireo vato be eo an-tampon'ny tendrombohitr'Iharinandriana, io eo ambony andrefan'i Behenjy io. Ny CONOCO kosa dia nomen'ny governementa malagasy 72 ora hialany teto Madagasikara fa nohapangainy ho mpiara-miasa tamin'ny sampam-pitsikilovana CIA, hoy hatrany ny fitantaran’i Xavier Rakotoarson. Ny marina tsy mba maty, hoy kosa ny mpahaitoekarena sady akaikin’ny filoham-pirenena teo aloha, Zafy Albert, Serge Zafimahova, nisaotra nampatsiahy ny tantara sady nanitsy. Nazera ny raopilanina kely Cessna, hoy izy, ny 3 jolay 1974, ary maty tao ny injeniera 4 miralahy. Ny mpandeha miisa 2 dia manam-pahaizana amin’ny resaka harena an-kibon'ny tany sy solika dia Itompokolahy isany Jean d'Albert Zafimahova sy Alfred Rajaonarisinina ary ireo mpanamory miralahy Paul Boemare sy Martin Vally. Resaka solika tokony hiditra “phase d'exploitation” na dingam-pitrandrahana miaraka amin’ny amerikanina ny resaka, hoy hatrany izy. Misy hifandraisany amin’ny toy izany koa ve ny mikasika ny raharaha Tsimiroro sy Bemolanga ankehitriny? Nifoha iny ny tantaran’ny CONOCO fa velona indray koa tetsy ankilan’izay ny adihevitra momba ny Madagascar oil.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT