Nifarana ny kilalao

Mamaivay noho ny teo aloha indray ny delestazy


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara

ny alahady teo. Fotoana izay nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro moa hoe noho izay antony izay ve no tsy nanapahana ny herinaratra mihitsy na dia kely aza tamin’iny fotoana iny? Raha misy antony hafa dia inona? Miandry ny fanazavana tena maha resy lahatra ialàna amin’ny ahiahy rehetra moa isika amin’izao fotoana izao na izany na tsy izany. Ny zava-misy tsy azo lavina moa dia hoe nifarana ny kilalao iny dia mamaivay noho ny teo aloha indray ny delestazy aloha, raha ny hita omaly talata. Ny tamin’ny alatsinainy teo aza mbola azo lazaina hoe zakazaka. Efa ho adin’ny 12 fara-fahakeliny, raha atotaly izany ho an’ny teto an-drenivohitra aloha. Ny an’ireo manodidina an’Antananarivo sy any amin’ny faritra moa efa tsy lazaina intsony. Ny fanazavana moa dia heverina fa tsy maintsy hisy hatrany avy amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny raha mba hanome izany ho an’ny haino aman-jery rehetra tsy an-kanavaka, fara faharatsiny, izy ireo fa ny tena andrasana kosa anefa ao anatin’izany rehetra izany dia ny tena vahaolana maharitra manoloana azy ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT