Actualités

Nifanjevo ny Emmo Reg sy ny FRAM Nosamborina ny filohan’ny ANEFA


  • Zoma 05 Septambra 2014

Mbola nitohy ny fitokonan’ireo mpampianatra FRAM omaly tetsy Anosy saingy tsy tafiditra tao amin’ny tokotanin’ny minisitera intsony izy ireo. Nisy ny fidinana an-dalambe nihazo ny lalana Ampefiloha iny. Tsy tontosa anefa satria efa nisy ny fanakanana nataon’ny Emmo Reg. Mbola nanohy ny hetsika hatrany izy ireo ka voasambotra tamin’izany ny filohan’ny ANEFA Andrianjafa Elidio.

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

Tsy hihemotra intsony

Manoloana ny zavatra nitranga dia nilaza ireo mpampianatra FRAM  fa na hosamborina daholo  aza ny mpikambana rehetra, tsy hijanona intsony ny hetsika. Mitaky ihany koa izy ireo ny hamotsorana tsy misy hatakandro ny naman’izy ireo. Toheriny ihany koa ny herisetra atao amin’izy ireo satria nisy ny naratra sy voadaroka. Ny tompon’andraikitra anefa etsy an-daniny  dia mbola manizingizina fa tsy azo tanterahina ny fangatahan’ireo mpampianatra. Notsiahivin’izy ireo ihany koa ny tenin’ny minisitra raha vao nandray ny toerana maha minisitra azy ingahy Paul Rabary dia nilaza mazava fa tsy mba hampiantso mpitandro ny filaminana Emmo Reg izany rehefa misy ny fitokonana ataon’ny mpampianatra fa hamela malalaka ireo izay hanao fihetsiketsehana. Ankehitriny, misy ny fitakiana dia ny tenany mihitsy no nampiantso ny Emmo Reg handrava ny hetsiky ny mpampianatra FRAM tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso, ireto farany izay nilaza fa anisan’ny nanosika ity minisitra ity ho eo amin’ny toerany. Tsikaritra nandritra ny fisamborana teny Anosy omaly fa nisy ny manamboninahitra zandary nikasi-tanana, mpampianatra FRAM iray. Rehefa nanontaniana moa ny zandary dia nilaza fa tsy fisamborana izany no natao omaly fa fitondrana ny filohan’ny ANEFA teny Ankadilalana mba hahafahana miresaka milamina aminy sy manazava aminy ny fandikan-dalàna nitranga. Nambaran’ny zandary fa navotsotra omaly ihany fa tsy notanana am-ponja i Andrianjafa Elidio sy ny namany iray.

Mbola hitohy ny fisamborana ?

Efa feno ny kapoaka ho an’ireo mpampianatra FRAM. Nanambara izy ireo omaly hariva fa tena maharatsy endrika ny fitondram-panjakana izao fampiasana ny herim-pamoretana ataon’ny minisitra Paul Rabary izao. Miantso ny filoham-pirenena mba handray andraikitra izy ireo ary miantso ny firaisankinan’ireo sendika, ny mpampianatra FRAM sy izay rehetra mahatsapa fa ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana. Nahare feo izahay, hoy ireto mpampianatra FRAM ireto fa mbola hosamborina ihany koa ny filoha lefitry ny ANEFA sy ny sekretera jeneraly, ny tompon’andraikitry ny solosaina sy ny serasera ary ny filohan’ny ANEFA eto Antananarivo Renivohitra. Mampatsiahy izy ireo fa ny mpampianatra FRAM no miantoka ny fampihodinana ny 80%-n’ny fampianarana manerana an’i Madagasikara ka tsy tokony hanamaivana ny fitakian’izy ireo ny fanjakana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT