Ankoatra ilay resaka « mortadelle » nahafaty olona, nivory maika ny OMC
Organe mixte de conception) androany 18 Jona, notarihin’ny Governoran’i Boeny, manoloana ny fampahafantarana voarainy avy amin’ny mpanjifa iray nividy « yaourt » na « flan » simba tamin’ny fivarotana lehibe iray eto an-tanàna, hoy ny seraseran’ny Governora Mokhtar Salim Andriantomanga omaly takariva. Nanao fitsirihana avy hatrany teny an-toerana ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ka nahita fa vaky ny varavaran’ny vitrine fampangatsiahana entana, tsy afaka hanome ny hatsiaka latsaky ny 4° izay takian'ny fitehirizana "produits laitiers". Hentitra ny Governora sy ny Prefe ary ny Ben’ny tanàna manoloana ny fisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo ary niara-nanapa-kevitra tamin'ireo mambran'ny OMC fa : mifarimbona midina ifotony, taorian’ny fivoriana, ireo Sampan-draharahan’ny Varotra sy ny an'ny Fahasalamana, nanamarinana ny zava-misy sy nandray fepetra avy hatrany amin'ireo entana rehetra ao anatin’io vitrine simba io, hoy ny serasera naparitaka. Hatao mitohy ny fanaraha-maso sy fitsidihana tampoka ireo fivarotana sakafo rehetra tehirizina amin’ny fampangatsiahana sy ireo sakafo lany daty manomboka izao. Hahazo taratasy fahazoan-dàlana ara-panjakana maniraka ireo Sampan-draharaha roa ireo isaky ny manao izany fitsidihana izany hanamafisana ny fahefan'izy ireo manoloana ireo tompona fivarotana, hoy hatrany ny seraseram-panjakana. Zava-dehibe ny filazana fa mandray andraikitra, saingy miseho hatrany ilay fomba fiasa efa misy zava-mitranga vao mikoropaka, ka tonga amin’ilay fiteny hoe : «lasa ny alika vao manangom-bato » ! Manaitra ihany koa ny sary navoakany izay nasiana karazana sikaotisa lehibe fotsiny ny varavaran’ny vata fampangahatsiahana. Mety ana manan-katao ve ny tranombarotra dia izay no endrika fepetra fa raha fivarotana madinika sy an’olon-tsotra dia hakatona ? Isan’ny tompon’antoka amin’ireny ihany koa ny Fanjakana satria mety ho ny delestazy ohatra no miteraka fahasimban’ireo sakafo ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.