Nidoboka any Tsiafahy i Da-Willy

Vesatra goavana roa sosona, fahaverezana mandra-maty !


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy omaly

i Andrianambinintsoa Jonhy William na Da-Willy, ilay tolovolahy 23 taona, nanolana zaza vao 6 taona tany Imerimandroso Imeritsiatosika. Niakatra mpitsara mpanao famotorana na « juge d’instruction » omaly izy, ka nangatahan’ny fitsarana ny handefasana azy vonjimaika any Tsiafahy. Nohamafisin’ny mpitsabo fa simba tanteraka ny fivaviana sy ny vodin’ilay zaza, mangana ny vatan’ilay zaza sasany,… Nanambara moa ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Ramatoa Rakotoniaina Narindra Navalona fa didy roa no mety hihatra amin'i Da-Willy ka voalohany amin'izany ny asa an-terivozona mandrapahafaty ary faharoa ny famosirana na "castration chirurgicale" izay lalàna vaovao vao lany hampiharina amin'ny mpanolana. Nomarihina, fa niaiky ny heloka vitany i Da-Willy nandritra ny famotorana natao azy. Loham-piampangana 2 : fikasana hamono olona izay voatondro sy faizin’ny andininy faha-2, faha-295, ary ny faha-304 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana, ka io dia mety hahavoasazy azy hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty. Loham-piampangana faharoa kosa dia ny fanolanana zaza latsaky ny 10 taona izay voatondro sy faizin’ny andininy faha-332 vaovao, faha-4 andalana voalohany, faha-332 bis vaovao, ao amin’ilay lalàna vaovao vao nivoaka laharana 2024-001 tamin’ny 26 febroary 2024 izay nanova sy nameno ny andalana sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Ny sazy mety ho azony amin’io vesatra faharoa io dia fanaovana asa an-terivozona mandra-pahafaty sy famosirana na « castration chirurgicale », araka ny fanazavavan’ny tonia mpampanoa lalàna hatrany. Nitaky ny fandefasana azy avy hatrany any Tsiafahy ny Fampanoavana, ka io nidoboka vonjimaika io. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny nangataka ny hisantarana ny famosirana ireo mpanolana amin’i Da-Willy ny Minisitry ny Fitsarana. Efa karazan’ny fahaverezana mandra-maty izany ny azy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT