Marina, hoy ny solombavambahoaka Nicolas Stéphan Alphonse voafidy tao Mahajanga I, fa nandritra iny fivoriana ara-potoana voalohany natrehanay teo iny dia saika niompana tamin’ny ady hevitra mikasika ny raharaha anatin’ny Antenimieram-pirenena sy ny zonay solombavambahoaka ny resaka be dia be tao (samihafa ny hoe tombontsoa sy ny zo fa aoka hazava). Izahay mihevitra fa atao ahoana tokoa no fijery ny vahoaka raha ny raharaha tokantranonay aza tsy milamina ?
Na izany aza, hoy ity depiote ity, maro ihany ireo volavolan-dalàna nolanian’ny solombavambahoaka nandritra iny fotoana iny. Andrasana indray izao ny volavolan-dalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakana sy ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana handinihana izany. Tsy lavina fa hisy fiantraikany eo amin’ny fiainam-pirenena ny fahataran’izany nefa miandan-ko reniny ka tsy mirotoroto ny mpanatanteraka ankehitriny. Raha ny tatitra fanao eny anivon’ny vahoaka ao anatin’izao tsy fisian’ny fivoriana eny Tsimbazaza izao dia mbola hiverina hanao izany ny tenako hanamafisana ny efa notaterina tamin’ny vahoaka ny faha-18 jolay teo izay fotoana nametrahana ofisialy ny samboady maha solombavambahoaka ny tenanay tao Mahajanga, sady hakana ihany koa ny hetahetam-bahoaka marina hoentina mivantana aty anivon’ny mpanatanteraka fa mila asa mivaingana ny vahoaka. Heveriko, ho ahy depiote manokana kosa fa laharam-pahamehana ho an’i Mahajanga, hoy ny depiote Nicolas Alphonse, amin’ny maha tanànan’ny voninkazo azy ny fampiroboroboana ny fizahantany. Tafiditra ao anatin’izany ny fitandrovana ny fandriampahalemana fa tena nampalahelo tokoa ary nahamenatra fa tsy mbola fahita tao Mahajanga izay tanàna nilamina hatramin’izay ny nisian’ny teratany Karana nisy nitifitra basy teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga amin’ny 4 ora tolakandro. Mila halamina izany fa mahamenatra sady mampihemotra mpizahatany. Laharam-pahamehana ho anay koa ny fanamboarana ny lalana Andranofasika-Ambondromamy, ny lalana mankany amin’ny Grand Pavoie mbola lalan-tany mandraka ankehitriny. Maro ny tetikasa azo iarahana manao miaraka amin’ny mpanatanteraka, hoy ity depiote ity, ary izaho moa efa nanolotra ny fiarako hatao “Corbillard” ao Mahajanga satria sarotra ny mitady izany noho ny fomban-drazana misy any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.