Niara-natory tao amin’ny hotely

Maty ilay tovovavy


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Ny sabotsy teo, tamin'ny 4 ora sy sasany maraina dia nahazo antso ny tobim-paritry ny zandary

ao Fandriana fa misy vehivavy maty ao amin'ny hotely fatoriam-bahiny ao Fandriana, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nidina teny an-toerana ny komandin'ny tobim-paritra sy ny lefiny nanao ny fizahàna ka hita tamin'izany ity vehivavy maty ity izay tokony ho 25 taona. Araka ny voalazan'ny mpiandraikitra ny hotely sy ity lehilahy niaraka taminy dia mbola nisakafo tao amin'ny hotely izy roa kely ireo ny alina ary tsikariny fa tsy dia nazoto homana ratompokovavy. Mikasa ny ho any Miarinavaratra, toerana misy ny ray aman-dreniny izy roa kely ireo ary hiseho sy hangataka azy ho vady no anton-dian'izy ireo. Araka ny filazan'ilay lehilahy niara-natory taminy dia efa mitoe-jaza aminy ilay maty. Noho io tranga io dia nantsoina haingana ny dokotera tao amin'ny CHRD Fandriana nanao ny fizahana. Araka ny tatitra azo am-bava sy ny fitiliana na «échographies» natao dia fantatra fa zaza an-tsoson-koditra no nahafaty an-dratompokovavy. Notanana ao amin'ny tobim-paritry ny Zandary ilay tovolahy niaraka taminy atao famotorana. Any amin'ny tranom-paty ao amin'ny hopitaly Fandriana ny razana miandry ny fianakaviany. Efa nampilaza sy nampandre ny havany amin'ny haino aman-jery ny kaomandin'ny tobim-paritra zandary ao Fandriana mba hampandrenesana ny fianakaviana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT