An-dranomaso ny fihaonan-dRavatomanga
sy ny vady aman-janany…
Nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony atsy Maurice i Mamy Ravatomanga omaly alarobia 07 oktobra 2026, tao anatin’ny dingana mifandraika amin’ny fifanampiana ara-pitsarana iraisam-pirenena na « entraide judiciaire internationale ». Niseho teo anoloan’i Wendy Rangan, Master and Registrar, tamin’ny alalan’ny « commission rogatoire » navoakan’ny manampahefana. Marihina fa ny « commission rogatoire » dia fitaovana ara-pitsarana ampiasaina rehefa misy fanadihadiana na porofo ilaina angonina any amin’ny firenena iray ho an’ny raharaha dinihina any amin’ny firenena hafa. Nanamarika ny sary omaly ny fihaonan’i Mamy Ravatomanga tamin’ny vadiny sy ny zanany vavy, fihaonana an-dranomaso sy ampahibemaso, aty amin’ny herintaona latsaka andro vitsy nisamborana sy nanagadrana an’i Mamy Ravatomanga. Ity farany izay nitsoaka tamin’ny fiaramanidina manokana niaraka tamin’ny ankohonany sy ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian ny alin’ny 11 oktobra 2025. Nihodinkodina imbetsaka tao amin’ny habakabak’i La Réunion, saingy tsy tafiditra, ka nipetraka an-keriny tao Maurice,… Nandritra ny fihainoana dia nanambara teo ambanin’ny fianianana izy fa filoha tale jeneralin’ny orinasa iray. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana didy nivoaka ny 25 mey 2026 ity dingana ity, izay mikendry ny hanangona sy handray am-bava ny valin-teniny manoloana ireo fanontaniana napetraka aminy. Midika izany fa ireo fanambarana sy valinteny voaray nandritra izao fihainoana izao dia azo alefa any amin’ny Attorney-General mba hampiasaina ao anatin’ny fanadihadiana sy fepetra ara-pitsarana mbola mitohy.
RAHARAHA BOEING 777
Anisan’ny ifantohan’io fanadihadiana manokana io ny “raharaha Boeing” izay mazava ho azy fa misy hidiran’ny Firenen-dehibe sy ny sehatra iraisam-pirenena noho ny raharaha boeing 777 nalefa tany Iran tamin’ny alalan’ny laharana Malagasy. Nambaran’ny mpisolovava azy, Me Khushal Lobine, fa efa nanao sonia « affidavit » taratasy fanekena fa hanome valin-teny marina, tamin’ny teny frantsay i Mamy Ravatomanga ny andro talohan’ny fotoam-pitsarana. Nadika tamin’ny teny anglisy avy eo izany antontan-taratasy izany mba hahafahana mampiditra azy ao anatin’ny fomba fanao ara-pitsarana ampiharina amin’ity raharaha ity. Ny 26 oktobra ny tohiny ! Raha ny 14 oktobra 2026 izao no voafaritra fa hivalian’ny fangatahany fahafahana arahana anto-bola, dia endrika iray manamafy ny vesatra lehibe hanenjehana an’i Mamy Ravatomanga ny hangezan’ireo dosie mahasaringotra azy. Manodidina ny 20 miliara dolara ny sora-bola manodidina ireo afera maro mahasaringotra ity mpandraharaha ity izay efa nisy ny dingana ara-pitsarana natao teto Madagasikara, ary heverina fa mbola ho lava ihany koa ny tohin’ny raharaha atsy Maurice manoloana ireo fiampangana, ny habetsahan’ny vola voakasika, ny lanjany amin’ny politika ao Maurice satria isan’ny nampiongana sy niteraka fialana olona ambony maromaro tamin’ny toerany ny Afera Ravatomanga… Mbola baraingo tanteraka araka izany ny tohiny izay ny akaiky indrindra dia ilay valin’ny fangatahana fahafahana arahana anto-bola ny 14 oktobra 2026 izao.
A ENCADRE
Nampihetsi-po ny mpanara-baovao ny sary naneho ny fihaonan’i Mamy Ravatomanga tamin’ireo vady aman-janany. Lojika izany amin’ny maha olombelona na inona na inona helok’ilay olona, ary betsaka no maneho fa hanatra ho an’ny mpanao politika sy ny mpandraharaha izao. Tao ihany koa ireo tonga dia nanao fampitahana toy ny hoe : ny an’i Mamy Ravatomanga vao heritaona latsaka, fa ny an’i Mbola Rajaonah efa ho firy taona no vitany, teny Tsiafahy, Imerintsiatosika,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.