NENY RIJA ETHEL

Hampianatra ny vehivavy hanana tokantrano sambatra


  • Talata 30 Jolay 2024

Betsaka ireo fiainam-panambadiana mikorontana eto amintsika. Antony mampidangana ny isa

tonga etsy amin’ny tribonaly Anosy isan’andro mangataka fisaraham-panambadiana izany, indrindra fa ho an’ireo mpivady noteren’ny fisian’ny zaza fotsiny na koa ireo maimaika ka tsy mba nanana fotoana nandinihina tsara. Na ahoana anefa na ahoana mety ho antony nirosoana tamin’izany fanambadiana izany dia mbola azo sitranina tsara ny tokantrano rehefa mahay mifandefitra sy mifampihaino ny mpivady indrindra fa mifampatoky. Hampianatra izany indrindra i Neny Rija Ethel, filoha mpanorina ny fikambana Tanora Actif an’i Madagasikara no sady Renim-pianakaviana mpanao asa soa. Etsy Andavamamba no hanatanterahany izany fampianarana izany ny datin’ny 03 Aogositra ho avy izao ka hasaina manokana ny vehivavy. Tanjony ny hampianatra ny vehivavy ny teknika sy ny fomba fiaina rehetra mba hananana tokantrano sambatra. Manomboka any amin’ny fifampitondran’ny mpivady izany, ny fihetsika tokony hatao, ny fahaizana mikarakara ny tena sy ny ankohonana….
Pati
Legende : Neny Rija Ethel, Filohan’ny fikambanana TAMA no sady mpanao asa soa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT