Actualités

Nelson Mandela Fakan-tahaka ho an’ny fampihavanana


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Nontanterahina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’i Mandela. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny firenena mikambana dia tamin’ny taona 2009 no nanaovana ny fanambarana ofisialy fa atao ho andron’ity mahery fo ity ny 18 jolay satria io rahateo ny andro nahaterahany

I “Madiba” dia olon’ny fampihavanana sy fandriampahalemana ary ny demokrasia ka rariny raha omena  ny hasina sahaza ho azy izy, hoy Rasoaniaina Zoé  tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny ivontoeran’ny fampahalalam-baovao ny ONU eto Madagasikara. Ireo izay nandahateny tamin’io andron’ny omaly io dia samy nanamafy fa tokony ho modely i Mandela ho an’izao tontolo izao satria izy dia nahay namela heloka ny fahavalony ary niady  tamin’ny tsy rariny natao tamin’ny fireneny. Efa nisy hatrany ny hetsika nentina nankalazana io andro io talohan’izao ka ny avy eo anivon’ny  firenena mikambana sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo no tompon’antoka tamin’izany. Nisy ny fitetezana ireo fonja teto an-toerana, teo ihany koa ny fanaovana asa soa tamin’ireo zokiolona sy ny zaza sahirana ary ny fitsidihana ny hopitalin’ny zaza tetsy Tsaralalàna. Tonga nanome voninahitra izao hetsika izao ny praiminisitra  Kolo Roger sy ny mpikambana  vitsivitsy  tao amin’ny governemanta  ary ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT