Navoaka ny fonja ry Mbola Rajaonah, Paul Rafanoharana,…

Mbola maro ireo gadraina sy potehina amin’ny tsy rariny


  • Talata 14 Oktobra 2025

Nisy ny didim-panjakana manafaka sy

mamoaka ireo gadra politika maromaro nataon’i Andry Rajoelina ny 12 oktobra teo. Paul Maillot Rafanoharana, Mbola Rajaonah, Lola Rasoamakamaro, Mahavita Sylvestre, Djavojozara Jean Luc, Andrianandrianina Voahangy, Philippe François,… ireo no voarakitra tao anatin’izany. Heverina fa fepetra noraisina mba hanalefahana ny toe-draharaha politika sy tsindry mahazo an’i Andry Rajoelina. Zava-dehibe aloha ny fanafahana ary arahabaina ireo tafavoaka tao anatin’izany. Andaniny, mbola maro ireo olona heverina fa nogadraina tamin’ny politika sy tsy ara-drariny mbola tavela any am-ponja raha ny fanamarihana maro, ka betsaka no mametra-panontaniana hoe : « symbolique » na sarintsariny ihany ve fa mbola misy maro tiana halentika ? Anisan’izany ohatra i Aina Marie BCM Razafindrakoto izay dosie iray tamin'ny Apollo 21. « Ary toa adino i Aina Marie RAZAFINDRAKOTO, nefa navotsitra daholo ireo tamin’ny Apollo 21 na izay nahazo sazy mavesatra indrindra aza ? Ho anareo ilay izy fanadinoana kely aminay fianakaviana ilay izy 4 taona tsy misy vady, tsy misy ray, tsy misy zanaka, tsy misy rahalahy. Sao dia mba ampy izay, sa mbola misy ambiny kely tianareo ambara ? », hoy Rtoa Gina Rajaobelina omaly naneho ny alahelony, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Tahaka izany ihany koa ny ny mpandraharaha Danny Rasolofomanana (gemstone) izay nogadraina efa roa taona teo ho eo, Jean Luce Randriamihoatra izay nolazaina fa niditra antsokosoko tamin’ny tranonkalan’ny CENI tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo, Stan'Ley Ramarivelo izay nolazaina fa nitondra kaonty facebook maniratsiratsira fitondrana ka efa an-taonany maro nogadraina, Andry Andriatongarivo vadina minisitra teo aloha izay nogadraina rehefa nanao ampamoaka samihafa, Bearinirina Marcellin izay nenjehina ho nikasa hamosavy ny zanaky ny Filoham-pirenena. Hatramin’izao aza raha ny loharanom-baovao azo dia mbola misy tanora nosamborina tamin’ny andron’ny hetsika fotsy mbola gadraina any am-ponja. Olona tokony handray andraikitra eto amin'ny firenena kanefa gadraina tsy ara-drariny noho ny tsy fitovian-kevitra politika. Raha tsy misy fitsimbadihana rasa tahaka izao izany dia hoptehina any am-ponja hatrany ireo tsy mitovy hevitra ? Eny fa na amin’izao efa toe-draharaha izao aza dia mbola ampahany monja no hafahana mba hanaovana sarintsarim-pandratoana fihavanana sy fitadiavana fitoniana ? Mba mandry ve ny sain’ny mpitondra eo anatrehan’ireo fahavoazana na takaitra na fiovana ara-batana toa ny mahazo an’i Mahery Lanto Manandafy, Harry Laurent Rahajason ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT