Lehilahy iray mbola tsy hita popoka rehefa natelin’ny ranomamin’i Maningory any Fenoarivo Antsinanana efa 7 andro omaly.
Nanao izay ho afany nijery tamin’ireo renirano sy ny vava vinany ny fokonolona, saingy tsy nahita mangirana hatreto, ary mbola mitohy fikarohana. Mpiasan’ny GIZ Madagascar, izay miara-miasa ao anatin’ny fandaharan’asa “prosperer” izy io. Nivadika anefa ny lakana nitondra azy ny 18 aprily ka dobo niaraka tamin’ny moto cross iray izy, ary tsy mbola hita popoka hatramin'ny omaly, ary tombanana ho namoy ny ainy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.