NATELIN’NY RANOMASINA TAO TOAMASINA

Omaly vao hita ny iray tamin’ireo roalahy kely


  • Talata 10 Desambra 2024

Omaly Alatsinainy 09 Desambra atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teo ho eo vao hita

ny vatana mangatsiakan-dRandrianantenaina Gario, zazalahy kely 13 taona natelin’ny ranomasina afak’omaly Alahady 08 Desambra teo amin’ny plazy Ratsimilaho, Toamasina. Tsiahivina fa miisa 2 izy ireo no indray lasan’ny ranomasina saingy vetivety ihany ilay iray dia avotra izay manodidina ny 15 taona eo ho eo. Tsy nahateny ity farany nandritra ny fotoana nahazoana azy tao anaty rano fa mbola niraikitra ny lelany, tranga izay mbola tsy mahatomombana tsara ny fahasalamany hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Mpanarato moa no fantatra fa naka ny vatana mangatsiakan’ilay zaza tsy manan-tsiny voalohany itsy tao anaty rano, niampy ny tolo-tanan’ny mpamonjy voina. Fantatra fa mpinamana maromaro izy ireo no niaraka. Hitan’ireo namany sasany moa no nahavoa azy roalahy kely ireto hoy ny vaovao saingy rehefa nanatona izy ireo dia nentin’ny rano nilentika hatrany ireo namany ka raiki-tahotra izy ireo. Miantso ny hametrahana polisy monisipaly mba hiambina ny moron-dranomasina ao Toamasina araka izany ireo mponina any an-toerana hisorohana ny tranga mampalahelo tahaka izao.
Pati
Legende : Sady mamelona no mamono ny rano ka ilana fitandremana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT