NANOLANA SY NAMPIJALY NY ZANANY VAVY

Raim-pianankaviana iray nidoboka eny Tsiafahy


  • Alarobia 15 Janoary 2025

Nalefa eny Tsiafahy Raim-pianakaviana iray no nahavita nanolana miverimberina sy nampijaly ary naka

horonantsary mamoafady taminy. Ny 09 janoary raha tsiahivina dia olon-tsotra tsara sitra-po no nampahafantatra ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana fa misy zazavavy hiharan 'ny vono sy herisetra ka ny rainy ihany no nahavanon-doza izay monina ao Ampasamadinika. Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy nanao fitsirihana sy nanamarina izany ka nosamborina tao amin 'ny trano fonenany ity raim-pianakaviana ity tamin 'io andro io. Nihidy aman- trano ity lehilahy ity nandritra ny fidinana ifotony ho fisamborana azy ary ilay tovovavy efa tsy mahatsiaro tena sy feno ratra no hita tao an-trano. Araka ny fanadihadiana dia nanomboka 14 taona ilay tovovavy no efa naolan’io rainy io sy nanaovany fampijaliana isan-karazany ka hatramin’izao faha -33 taonany izao. Nandritra ny 19 taona no nanaovan’ilay rainy izany filan-dratsy mamoafady sy tsy fampiseho masoandro izany raha fehezina. Nandà hatrany ho tsy nahavita ireo heloka ireo ity lehilahy ity saingy niaiky izy rehefa tratra tao anaty solosainy ny karazana horonantsary mirakitra ny fanolanana sy vono ary fampijaliana nataony tamin’ilay tovovavy. Tapenany amin 'ny lamba ny vavan’ilay zanany mba tsy ho afaka miantso vonjy mandritra ny fampijaliana sy fanolanana hataony. Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ity lehilahy manana fitondràn-tena hafahafa ity rehefa niakatra fampanoavana ny Alatsinainy 13 Janoary 2025.
Pati
Legende : Efa nalefa eny Tsiafahy ilay ranamana ity maka saina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT