Nanolana ny zanany nandritry ny 4 taona

Lehilahy iray nosamborina tao Ambositra


  • Talata 09 Aprily 2024

Voasambotra ny sabotsy teo ilay raim-pianakaviana nanolana ny zanany nandritra ny 4 taona,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly tao Ambositra tampon-tanàna. Vao 4 taona monja no efa naolany tao ny zanany vavy ary tsy nijanona izany raha tsy efa nanda tsy hiray aminy intsony ny zaza rehefa feno 8taona. 14taona ilay zaza izao ary dia nilaza ny marina rehefa nitranga ny aretina amin'ny fivaviany. Nisaraka izy mivady ary dia napetrak’i ramatoa tany amin'ny renibeny avy amin'ny reniny ilay zaza fa izy kosa nandeha nikarama. Tamin’io fotoana io no nohararaotin'ny rainy alaina ilay zaza rehefa tsy mianatra ary nanaovany ny filan-dratsiny dia ateriny mody avy eo. Nipetraka teny Ambohibary ilay zaza ary entiny mody tao Ampivarotan’omby. Niakatra «parquet» na fampanoavana omaly ny raharaha koa dia ankinina amin'ny fitsarana ny tohiny. Ilay reniny kosa dia mitazona hatramin'ny farany ny fitoriana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT