Actualités

Nanimba ny tsenan’ny mpivaro-kena Misy mitsaho indray fa kapaoty no natao fonona saosisy


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Velon-taraina avokoa ny ankamaroan’ireo mpivaro-kena mivarotra saosisy nanontanianay omaly, indrindra fa ny eto an-drenivohitra.

Taorian’ilay vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera mikasika ny fisiana fimailo na kapaoty natao fonina saosisy mantsy dia saika natahotra avokoa ny ankamaroan’ireo mpanjifa saosisy. Fahasalamana rahateo no resaka no sady tena hiankinan’ny aina mihitsy. Tsy vitsy tamin’ireo mpanjifa noho izany no nihevitra fa raha tena misy tokoa izany dia ho mora foana ny fifindran’ny otrik’aretina VIH/SIDA…. Raha saosisy 3 kg isan’andro noho izany no lafon’ny mpivarotra iray dia tsy nisy afa-tsy antsasany sisa ny an’ny sasany omaly, izany hoe : tena fatiantoka iray lavaka. Tsy nijanona teo anefa ny tantara fa niezaka ny nanao fanadihadiana mikasika io tranga io ny zandarimariam-pirenena. Fantatra ary fa tsy fy mailo ilay namonosan’ilay mpivarotra saosisy ny saosisy namidiny teny Alarobia Amboniloha fa "boyaux artificiel comestible". Misy amin’ireo mpanao saosisy mantsy no efa tsy dia mahatokitoky intsony ny tsinain'omby izay tsy misasa tsara no sady mafy atelina ka nisafidy ny hampiasa io akora vaovao io. Mora atelina kokoa ity farany no sady mihaja kokoa, fampiasan'ireo mpanao saosisy na mortadelle, saucisson sy jambon efa matihanina. Tokony hitandrina noho izany ireo olona mpanaparitaka vaovao tsy marina tahaka ireny. Sady manakorontana saim-bahoaka mantsy izany no manimba ny asa fiveloman’ny hafa ihany koa. Vaovao voaporofo noho izany no tokony havoaka fa tsy izay siosion-dresaka mandeha eny rehetra eny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT