Tsy raikitra taminny ora farany raha tokony ho natao teny Ankatso II omaly alatsinainy maraina ny fametrahana ny vatofototry ny asa fanorenana ny trano fonenanny mpianatry ny ambaratonga ambony.
Natao peta-drindrina eran’ny tanàna teny ary narahina toho-tsofina fa i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita mihitsy no hitarika ny lanonana teny an-toerana. Natao avokoa ny fiomanana rehetra. Tonga ny alatsinainy, andro nifanomezana, efa tazana teny an-toerana ny tompon’andraikitra samihafa eo anivon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, fa tsy nipoitra i Andry Rajoelina. Niezaka nandamina ny resaka ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Tongavelo Athanase, ka namerimberenany filazana fa fampanantenan’i Andry Rajoelina ny hanorenana trano ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, ary samy hanana anjara amin’izany avokoa ny oniversite rehetra.
Dia nampiana fa ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona ka dia hahemotra ho rahampitso alarobia indray ny lanonana. Re fa omby efatra no saika hovonoina omaly, koa asa na hahandry ny andro alarobia izany na nampiharana ilay oha-pitenenana Malagasy hoe : “nanasa vahiny tsy tonga, sady voky no afaka adidy”. Fa ny filazana fa fampanantenan’i Andry Rajoelina ny hanorenana tranon’ny mpianatra eny amin’ny oniversite dia mahatsikaiky ihany. Tsy mbola nisy an’izany Fahefana Avon’ny Tetezamita izany akory teto Madagasiakra no efa nanomboka ny asa fanorenana trano tao Lazaret Antsiranana. Raha nandalo tany ny filoha Marc Ravalomanana ny taona 2008 dia nampanantena ny hanamboarana trano ho an’ny mpianatry ny oniversite tao.
Naharitra folo volana teo ny asa, efa vita izany ankehitriny, misy rihana telo, mahazaka mpianatra 700 eo dia i Andry Rajoelina no nihazakazaka nitokana azy tany niaraka tamin’ny tranon’ny fitsarana ambony ny volana desambra 2009. Nenjikenjehana ny lanonam-pitokanana tamin’izay satria nisy andian’olona maromaro naneho ny tsy fankasitrahany. Tetikasan’ny filoha Marc Ravalomanana ity tohizana ity, porofon’izany ny fitovian’ny maritrano rehetra. An-dalam-pamitana ny ao Ambondrona Mahajanga dia izao hitohy eny Ankatso II Antananarivo izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.