Nandeha lakana nandritra ny rivodoza

Olona namoy ny any 4 tany Beroroha


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Olona 4 be izao no indray namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Beroroa vokatry

ny fandalovan’ilay rivo-doza Alvaro ny 01 Janoary lasa teo. Raha araka ny fantatra dia nandeha lakana avy any Bemarivo saika hiampita tao Mandrosoa ireo olona namoy ny ainy ireo. Nandritra izany anefa no nifanehitra tamin’ny ranobe nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza Alvaro izy ireo ka indray navadiky ny lakana ary nanjavona. Na izany aza vetivety ihany dia hita ny vatana mangatsiakan’izy ireo.Raim-pianakaviana ny iray, zazalahy ny iray raha samy vehivavy kosa ireo roa ambiny. Ankoatra ireto aina nafoy ireo dia tanimbary 300 ha no tototry ny fasika tany amin’ity distrika iray ity. Toho-drano iray manondrana velarantany 200 ha ihany koa no vaky raha tafakatra 305 isa ireo tsy manan-kialofana. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo mponina any an-toerana mba hijery akaiky izao olana goavana mianjady amin’izy ireo izao.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay ranobe nisasasasa namono olona tany Morombe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT