Nandatsahana zana-trondro

1900 ny farihin’i Mamamba


  • Alakamisy 13 Novambra 2025

Handraisana fepetra izay misotasota ny rano

Tontosa soa aman-tsara ny fandatsahana zana-trondro miisa 1900 tao amin’ny farihin’i Mamamba, ao amin’ny kaominin’Antehiroka, ny fiandohan'ity herinandro ity, raha ny fampitàm-baovao voaray. Niarahana tamin’ny fikambananan’ny mpanarato Loharantsoa sy ny minisiteran’i Jono, ny Kaominin’Antehiroka ary ireo mpiara miasa hafa ihany koa izany, hoy ny fanazavàna. Maro ireo tokantrano izay mivelona amin’ny farihin’i Mamamba ary tena entitra ireo tomponandraikitry ny fikambanana Loharanontsoa, izay misy ireto mpanarato ireto ny amin’ny fikolokoloana ny farihy. Ny avy ao amin’ny minisitera sy ny kaomininina dia vonona ny hifanome tanana hatrany amin’izy ireo ary misy ny fepetra raisina ho an’ireo izay misotasota ny ranon’i Mamamba, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT