Nananatra mafy i Vanessa Manonga

«Afaka mitsabo tena any an-dafy i


  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Black Nadia raha sanatria…»

I Black Nadia, raha sanatria hitsovaka ny tarehiny, dia afaka mitsabo tena any an-dafy izy fa ny an-dry handrebireby sain'olona eto hoe ahoana no atao fa tazana eo amin’ny takolaka ny fara-vazana, hoy ny mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera, Vanessa Manonga, ny faran’ny herinandro teo manoloana ity resaka menaka manafotsy hoditra nalaza tato ho ato ity. Misy orinasa kely ao anatintsika ao mpamokatra «Mélanine», izay tomponandraikitra amin’ny lokon'ny hoditra sy miaro amin’ny masoandro, hoy izy. Raha simbàna sy sakanana hanao ny asany amin'ireny «produits éclaircissants» na vokatra manazava endrika ireny io dia androany rehefa fotsy tsara aloha mbola hoe «mpialona toujours afara». Rehefa may sy sanatria voan'ny homamiadana, afaka taona maro aty aoriana, dia hoe raha misy izany Jesosy izany, maninona no misy marary, hoy hatrany ny tenany nananatra mafy?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT