NANANA OLANA ARA-PIANAKAVIANA

Lehilahy 32 taona hita faty nihantona


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Lehilahy iray 32 taona, manam-bady ary niteraka 4 no hita faty nihantona tamin'ny

jirofo teo akaikin'ny fasan-drazany, ny Sabotsy 31 May lasa teo, tany Antanambao Tsaravoly, kaominin'Ambodiampana, distrikan'i Mananara Avaratra. Raha araka ny loharanom-baovao dia olana ara-pianakaviana no notombanana ho antony nahatonga ity Raim-pianakaviana ity hamono tena tahaka izao. Tsy fantatra mazava anefa na tamin'izy mivady no nipoiran'ny olana na tamin'Itompokolahy sy ny fianakaviany. Tampoka rahateo ny fanapahan-kevitr'Itompokolahy nandeha nandao ny tany. Nambaran'ny psikology iray moa vokatry ny tsy fisian'ny olona hatokisana hihaino ny olan'ny tena sy ny fitokana-monina amin'ny ankapobeny no manosika ny olona iray ho tonga amin'ny famonoan-tena tahaka izao. Mila mampihainoa, mifampitaiza, mifampitsinjo araka izany ny tsirairay ao an-tokantrano sy eny anivon'ny fiaraha-monina. Ny fifampiresahana ihany no vahaolana hatolony noho izany ho an'ireo manana vesatra ara-tsaina sy fahasahiranana hisorohana ny famonoan-tena tahaka izao. Olona azo hitokisana sy manana traikefa koa anefa. Lahy tokana mantsy ny ainy ka tsy hananam-piry.
Pati
Légende : Naleon'ity Raim-pianakaviana ity nandao ny tany tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT