Aza mba sendra ny tovovavy jilajilaka ihany fa dia ataony manao ny tsy fanao mihitsy. Izany no azo hamehezana ity tranga iray tao amin’ny fokontany Ampasikibo Toliara, ny asabotsy atoandro teo. Tovolahy iray 19 taona hanala fanadinana bakalorea ankapobeny amin’io herinandro ambony io no nisarahan’ny sipany,
fa ity farany lasa nandeha nikopak’elatra nanambady vazaha antitra.Namono tena avy hatrany ka nitelina poizina ilay zazalahy. Izy efa malemilemy sy nivoaka farora-bava no nahataitra ny anabaviny izay niantso azy hisakafo. Teo vao samy nikoropaka ny rehetra ary nentina haingana namonjy mpitsabo ity tovolahy ity, ka voavonjy ihany. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao, dia tsy nivoaka ny efitranony ary tsy nahitan-teny nandritra ny roa andro ity tovolahy ity talohan’io. Nihevitra ny tao an-trano fa mifantoka amin’ny fianarany izy manao famerenana. Mahery ny fitiavana, vokatry ny famoizam-po dia naleon’ity tovolahy ity nanampitra ny ainy tsy nahatanty ny fandaozan’ny sipany azy. Raha ny loharanom-baovao azo farany amin’izao ora anoratanay izao dia efa mihatsara ny fahasalamany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.