Nanamafy sy nilaza tsy hitsitsy ny Fanjakana

Tena famosaviana no nitranga, 19 maty, 5 no efa voasambotra


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Tafakatra 19 ny namoy ny ainy tamin’ilay zava-doza nandritra ny fety iray teny Ambohimalaza

ny alin’ny sabotsy 14 jona lasa teo. 16 tao amin'ny Hopitaly HJRA, ny iray teny amin'ny Hopitaly manara-penitra Andohatapenaka, ny iray teny amin'ny CENHOSOA ary ny iray teny amin'ny hopitaly tsy miankina. 51 ireo marary, ny 30 mbola manaraka fitsaboana. Ny 19 amin'ireo marary no mbola ao anaty fahasarotana, ny 10 kosa efa tsy mananosarotra intsony ny fitsaboana, ary ny 7 efa afaka nalefa nody an-tokantranony. « Tena famosaviana ilay izy amin’ny teny Malagasy », hoy ny Minisitry ny fahasalamana Zely Andriamanantena. Efa fantatra hatramin’ny sakafo tena ahiana. Nalaina ny zavatra navoakan’ilay olona tamin’ny vavoniny, nalaina ilay « donut » satria nanontaniana ireo olona, dia donut no tena olana. Nisy voalavo kely 3 nomena ilay « donut » tonga dia maty. « Fantatra fa famosaviana tamin’ny alalan’ilay « donut » io zavatra io, ary tokony tsy hisy intsony ny resabe hoe : ireto na ireto », hoy hatrany ny Minisitry ny fahasalamana. Nambara fa efa miroso lavitra, efa nanaovana fitsirihana tamin’ny laboratoara, ary hamafisina fa fanampoizinana na « empoisonnement » io, ka efa nampifanarahana tamin’izany ny fomba fitsaboana na « protocole » mba hanalana ireo poizina. « Efa misy ny « antidote » satria efa misy eritreritra hoe ireto ilay izy », raha ny fanazavan’ny Minisitry ny fahasalamana hatrany. Nosokajiana ho « cas critique » avokoa ny rehetra, ary nisy ny toromarika ho an’izay rehetra nanatrika ilay fety mba hanatona ny toeram-pitsaboana na tsy mbola nisy fambara aza. Namafisina fa mbola misy olona andalam-pitsaboana, ary ny fahafantarana fa fanapoizinana dia inoana fa mba hanampy ny fanavotana an’ireo olona. Maimaimpoana ny fandraisana an-tanana an’ireo olona ireo amin’ny alalan’ilay antsoina hoe : « fond d’urgence ». Na izany aza, betsaka ny fitarainana fa tsizarizary ny fandraisana andraikitra, mitarazoka ny fitsaboana,… Mankahery hatrany ireo fianankaviana namoy havana, ary mirary fahasalamana ho an’ireo mbola tsaboina.

OLONA 5 NO EFA VOASAMBOTRA
«Lazaina ankehitriny fa fanapoizinana niniana natao, nisy singa hafa nampidirina tao anaty sakafo tsotra », hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Andry Rakotondrazaka nanamafy. Izy izay nametra-panontaniana hoe : Disadisam-piaraha-monina sa resa-pianakaviana no nahatonga izao fanapoizinana izao ? Nambara fa mampiova ny fitondrana ny famotorana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ny fivoahan’izay fehin-kevitra izay. Mazava ny fitenenana fa fanapoizinana niniana natao no nitranga tamin’iny fotoana iny, ka anatin’ny fehezen-dalana famaizana dia heloka bevava izany, hoy ny fanamafisana. Olona 5 no efa nosamborina, efa mandeha dia mandeha ny famotorana, zava-doza satria am-polony maro no namoy ny ainy, ka tsy maintsy jerena sy fantarina ny marina, efa mandroso any amin’ny fitadiavana ny marina ny mpanao famotorana, ary tsy ho ela ny valiny, hoy hatrany io Jeneraly io. 35 ireo olona nasain’ny tompom-pety ofisialy, ary ireo indray no nitarika namana niditra tao. Nisy olona hatrany amin’ny 60 tao, ary ireny olona ireny, izay ny namoy ny ainy teo ihany, ny marary eo, fa misy olon-kafa ihany koa tsy maintsy iantefan’ny fanadihadiana. Ny ao amin’ny Toby Ratsimandrava no miandraikitra ny famotorana hivoahan’ny marina, ka afaka manatona ao ihany koa izay mana-kolazaina mikasika ity raharaha ity.

TSY HITSITSY NY FITSARANA
Naneho ny teo anivon’ny fampanoavana, fa famosaviana izay nitarika ny famonoana olona, izay voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana, ka ho hentitra ny fampanovana rehefa vita ny fanadihadiana ka hitondrana ireo voarohirohy eo anivon’izay rafitra izay. Ho hentitra ny fitsarana amin’ny fijerena ny andraikitry ny tsirairay na mivantana na ankolaka, ary hampiditra am-ponja avy hatrany. Nilaza hisakana avy hatrany ny mety ho fangatahana fahafahana, araka ny resaka nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT