Nanamafy ny tolona ny sendika

“Miantso ny rehetra hijoro hanoherana ny tsy ara-dalàna”


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny antso nataon’ireo kandida ho an’ireo mpiasam-panjakana sy mpiasa tsy miankina

mba hanamafy ny tolona, dia hita taratra avy hatrany omaly ny faharesen-dahatra. Tonga nanamafy ny tolona hametrahana ny fanjakana tan-dalàna, fiandrianam-pirenena, fifidianana madio mba ho antoky ny fahamarinan-toeran’ny firenena sy hisian’ny fampandrosoana,… ny sendika sy ny antoko politika samihafa. Tazana teny an-kianja ary nilanja sora-baventy omaly ny sendikan’ny mpiasan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny sendikan’ny CROUA (Centre Régional des Oeuvres Universitaires d’Antananarivo), ny Sendikan’ny Mpiasan’ny oniversite, ny Antoko MFM,… “Tsapa tokoa izao firaisankina izao, efa amin’ny 12 ora kanefa mbola eto, ka matanjaka sy mahery isika. Tsy mora ny tolona, iray amin’ireo kandida no hitondra”, hoy ny solontenan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny MESUPRES. Niantso ny sendika ireo kandida mba hiara-dalàna ho fanoherana ny tsy ara-dalàna ka tonga izahay, ary tsy ireo ihany fa mbola maro no ho avy, ho avy ny avy amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny maro hafa, hoy ny kabary teny an-kianja. Nanitrikitrika fa leo teritery sy fandokoana volomboasary ny mpiasam-panjakana, ka tsy ekena ny tsy ara-dalàna. Ny karama tsy araka ny tokony ho izy. Mila mahery satria ny razambe maty hono ny fitiavan-tanindrazana ka androany dia tsy hanaiky hoentim-bazaha, fanjanahan-tany amin’ny fomba ankolaka io. Miantso sy manentana ny rehetra fa fotoana izao hijoroana ho an’ny tanindrazana, koa tsy hihemotra isika, isaorana ny iraisam-pirenena nanameloka ny fampiasan-kery. Ny MESUPRES efa notoriana sy nogadraina, fa tsy mihemotra, hoy hatrany ny mpitarika sendika. Nanamafy ihany koa ny sendika hafa, fa tsy mijanona raha tsy miverina amin’ny taniny Malagasy. Rehefa niantso ny sendika ireo kandida dia namaly ny sendika Malagasy, mijoro tsy manaiky lembenana satria rehefa mitaky izahay dia tsy misy ity Fanjakana nentin’ny vazaha ity, hoy izy ireo. Vazaha tsy namaly ny hetahetan’ny mpiasa Malagasy, koa miantso ny sendika, raha mahatsapa fa tsy novahana ny olanao dia tongava, fa tsy maintsy miala izao Fanjakana tsy mahavaha olana izao, hoy hatrany izy ireo. Ny SECES tsy nasiana vidiny, tsy noraharahiana kanefa ireo no mamolavola ny tanora Malagasy, ka tsy rariny izany. Mahita 2 miliara hampanaovana famoretana fa tsy manam-bola hamaliana ny fitakian’ny mpiasa, hoy ny tsikera mivaivay. Mijoroa fa tsy maintsy mandresy, mijoroa isika Malagasy, na sendikalista aza izahay, dia mitaky ny fanajana ny lalàmpanorenana, hoy ireo sendika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT