Actualités

Nampitandrina ny Minisiteran’ny jono Misy hazan-drano maro mety hampidi-doza


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Namoaka fampahafantarana ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) omaly, fa misy karazana hazan-drano tsy azo hohanina amin’ny vanim-potoana mafana toy izao,

 

 

 izay mitarika fanapoizinana ho an’ny olona izay mihinana azy  ka mety miteraka fahafatesana mihitsy. Isan’izany ny thon, sardine, hareng, cordonnier fil, barracuda, carangue, ny perroquet à écailles, ny fano, karazana ankiho sy ny antsantsa maro,… Misy zavamaniry tsy hita maso any anaty rano izay maniry rehefa amin’ny vanim-potoana mafana mitondra poizina, ka izay trondro mihinana io zavamaniry io dia mitondra ilay poizina ihany koa. Nitrangana seho fanapoizinana avy amin’izany hazan-drano izany tamin’ny faritra vitsivitsy teto Madagasikara. Manoloana izany sy hisorohana ny mety hisian’ny tranga vaovao dia misy ny fanentanana ataon’ny MAEP amin’ny alalan’ny sampan-draharaha misahana ny jono sy ny harena anaty rano isaky ny faritra, amin’ny fizarana peta-drindrina na afisy maneho ireo karazana trondro tsy azo hohanina. Misy ihany koa ny “arrêté regional” mahakasika izany. Sazy enjana no ampiharina amin’ ireo izay minia mivarotra ireo karazana hazan-drano ireo, dia ny fandraofana avy hatrany ny entana eny an-tsena na/sy ny fisintonana mihitsy ny “permis de collecte” an’ireo mpanjono, hoy ny MAEP. Entanina araka izany ny mponina mba ho mailo hatrany amin’ny fanjifàna ireny trondro ireny eny an-tsena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT