Simba tanteraka ity zazavavy kely, 11 taona, naolan’ny tovolahy iray mpiara-monina aminy ihany. Tranga niseho ny sabotsy tokony tamin’ny 05ora hariva tao amin’ny Cité Haras ao Toamasina.
Raha ny fanazavan’ilay zazavavy dia notaominy hijery horonan-tsary amin’ny maha-mpivarotra CD azy ilay zazavavy. Tsy nanda ity farany fa nanaraka azy amin’ny samy mpiara-monina. Noho ny tonga tao an-tranon’ilay tovolahy anefa dia tsy horonan-tsary ho an-jaza no nalefany fa horonan-tsary mamoafady. Vao nanomboka fotoana fohy izany dia notolominy ilay zazavavy hanaovana fampiharana. Tsy nanaiky ilay zazavavy saingy norahonany tamin’ny antsy ho vonoina raha miantso vonjy, ka teo izy no nanararaotra. Tsy sahy nilaza ny nanjo azy tamin’ny reniny sy ny zokiny na ny manodidina azy ilay zazavavy noho ny tahotra. Mbola nandeha nianatra ny alatsinainy, ka ny fahitan’ny mpampianatra azy mitaraina sy mivoaka lava midaikadaika fandeha hivalan-drano no nahalalana ny nanjo azy, sy nivoahan’ny marina rehetra. Efa nisy zavatra fotsifotsy nivoaka ny fivaviany araka ny fizahan’ny mpitsabo vokatry ny fanolanana azy. Voasambotra omaly ary hiakatra fitsarana momba ny fanolanana sy fandrahonana ho faty ary fanagejana olona kosa ilay tovolahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.