Actualités

Nampiahiahy ny fihetsiny Basy sy ody gasy no tao anaty sakaosy rehefa nosavaina


  • Alatsinainy 15 Septambra 2014

Tao Andatabo Toliara ny faran’ny herinandro teo dia rangahy iray nandeha fiara tamin’ny lalam-pirenena faha-7 nampiahiahy nosavain’ny polisin’ny FIP nanao sakana ny entany tao Andatabo (10 km tsy hiditra an’i Toliara) no nahatrarana basy vita gasy tsy ara-dalàna niampy ody gasy natao tao anaty moara maromaro iray sakaosy

Toy ny fanaon’ny polisy dia misy ny fisakanana ny fiara sy fisavana. Mahina tamin’ny fihetsik’ity rangahy ity ny mpitandro ny filaminana ka nisava ny entany ary sarona tao ireto fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna sy ody gasy marobe ireto. Mipetraka ny ahiahy ankehitriny sao dia misy ifandraisany amin’ny asan-jiolahy nitranga tao Andaboly vao tsy ela ity fahatrarana basy vita gasy ity ? Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana izay efa mandeha amin’izao ihany no hahafantarana ny marina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT