Nodimandry omaly talata 16 jona teo amin’ny faha-58 taonany noho ny tsy fahasalamana sy ny aretina nitaiza azy Rabesomanana Tahiry na “Rabeso”.
Mpanitsy ny diso na “correcteur” teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana izy fahavelony, ary sarotiny dia sarotiny tokoa tamin’ny fanoratana ny teny Malagasy satria mandalo eo ambany masony avokoa ny lahatsoratra rehetra. Efa tany am-piforonan’ny Gazety ny taona 2009 no nitana io andraikitra io Rabeso, rehefa avy tany amin’ny Vondron’orinasa MBS satria efa mpanitsy ny diso tao amin’ny Gazety Ny Vaovaontsika ihany koa izy talohan’ny krizy 2009. Masiaka be ronono, mamy hoditra, tia tsikitsiky no nahafantaran’ny mpiara-miasa azy. Mandria am-piadanana letsy Rabeso a! Mbola tsaroana ilay tsikitsiky lava eny amin'ialahy hatreny Anosipatrana (Ny Vaovaontsika) ka hatrety Soanierana (Tia Tanindrazana), hoy ny hafatra avy amin’ireo namana sy mpiara-miasa mahatsiaro ny fotoana niarahana taminy. Namela mananon-tena iray sy kamboty mirahavavy, ary taiza iray i Rabeso izao nandao izao. Miombona alahelo amin’ny fianankaviana ny Ekipa rehetra eto amin’ny Tia Tanindrazana sy ny Vondron’orinasa Vidy Varotra eo anatrehan’ny fahalasan’ny namana Rabeso. Mandria am-piadanana Rabeso a !
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.