Actualités

Namontana Nisehoana loza namoizana ain’olona indray


  • Talata 01 Septambra 2020

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona iray indray omaly alatsinainy 31 aogositra teny Namontana akaikin'ny toeram-pivarotam-panafody Volahanta .

 

 

 

Mpandeha an-tongotra iray no voadonan'ny fiara camion lehibe iray ka maty teo noho eo . Tokony ho tamin’ny 11 ora sy 10 minitra tany ho any no nitrangan’ny loza raha 48 taona kosa ilay namoy ny ainy . Nentina ary notazonina avy hatrany eny amin'ny biraon'ny polisy hanaovana fanadihadiana moa ilay mpamily. Marihina fa ny lohan’ity mpandeha an-tongotra ity mihitsy no voadona mafy tamin’izany, antony namoizany ny ain-dehibeny.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT