Namoaka vokatra i Ken

Hampivady ny Rock amin’ny gadona hafa


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Iray volana latsaka kely teo izay no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy

fa handeha hikopaka elatra hiala ao amin’ny tarika Mage 4 i Ken, izay mpihira teo anivon’ity tarika mpiangaly mozika Rock an-taonany maro ity. Nivoaka ny ny 13 febroary teo moa ny hirany voalohany mandeha irery mitondra ny lohateny hoe «Ry Fanadinoina». Tsy afa-miala amin’ny gadona Rock aho, hoy izy, satria io no efa nimatimatesana hatramin’izay. Hampivady gadona hafa aminy kosa. Efa vitako avokoa ny fifantenana ireo mpitendry hiara-hiasa amiko ka Ken Thierry no mpihira. Andry Ramamonjisoa no hitendry ny mandeha tokana. Rado Nomenjanahary no gitara beso. Baliaka Andriarivoson no eo amin’ny apongamaroanaka ary Rindra Ramili no eo amin’ny vatamaroafitsoka. Tsy hiverina ao amin'ny tarika Mage 4 intsony aho. Efa nitondra ny anjara birikiko ho an’ny tarika Mage 4 aho. Izany akory tsy midika hoe tsy hisy ny fifaneraserana ary mety hisy koa ny fotoana hiarahana eny an-tsehatra, hoy hatrany i Ken.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT