Niompana tamin’ny fanamarinana ny efa nambaran’ny mpitondra hatrizay ny tafa
nataon’ny Filoha ankehittriny Andry Rajoelina nampiantso tompon’andraikitra 4 omaly dia ny Minisitry ny fahasalamana, minisitry ny filaminam-bahoaka, minisitra delege misahana ny zandarimaria, tonia mpampanoa lalàna. Teo amin’ny 60 ny olona rehetra narary tamina Hopitaly 7, ny 52 notsaboina tao amin’ny HJRA izay 23 sitrana, ary 26 no maty. Tamin’ireo 60, ny 32 maty, 26 sitrana, 4 mbola tsaboina. Nohizingizinina hatrany fa tsy « botulisme». Voaporofo tamin’ny alalan’ilay donut no nisy ny singa nampidirina nahafaty ireo tanora rehetra ireo. Laboratoara 4 indray no nambara fa nandefasana ny singa ka anisany ny nakany amin’ny Laboratoire de toxicologie tany Strasbourg izay nolazaina fa efa 200 taona, ampy traikefa, izay mijery ny fahapoizinana. Olona « expert » amin’ny « toxicologie » efa filohan’ny Toxicologie analytique sy ny Toxicologue de médecine légale. Diso ny filazan’ireo mpanao gazety,… ka tsy haiko hoe : inona no tanjon’izy ireo ? hoy i Andry Rajoelina. Nambara fa singa sy poizina avy amin’ny zava-maniry, nohizingisinina ny hoe : mazava fa resaka fanapoizinana. Zava-maniry anankiroa eto Madagasikara : datura na « herbe de diable » izay misy ny singa « atropine ». Mitarika fahafatesana na « paralysie respiratoire ». Faharoa ny « belladone » izay misy poizina avokoa ny vatany no nambara fa nampiasaina. Tsy nisy tena « antidote » nahomby tamin’ilay singa izany na fantatra maza aza, kanefa nolazaina fa vao nanomboka dia efa nampiasa « antidote » kanefa maro be ny maty? Andaniny, nolazaina fa tranga samihafa ny teto Antananarivo sy ny faritra hafa. Avy amin’ny Charcuterie ny tranga tany tany Ambositra, nalefa tany amin’ny laboratoara tany Paris, ka nivaly ny tany Ambositra fa « botulisme » ary « négatif » kosa ny tany Mahajanga sy Toliara. Mortadelle nentina avy any Toamasina, tapaka ny « chaine de froid », hoy ny Minisitry ny fahasalamana. Nolazaina fa ny teto Donut, patisserie tsy misy botulisme, ary 4 na 5 andro vao maty ny voalovo, fa ny tamin’ity poizina ity 5 minitra,…
LONILONIM-PIANANKAVIANA
Ny mpahandro sakafo no voalaza fa fositra ! Tsy fifankahazoana anaty fianankaviana iray no lasa raharaham-panjakana. Valifaty sy lonilony no nahatonga an’izao. Nisy an’ilay « cousine » iray an’ny tompom-pety, izay nanao ny sakafo, efa nanana lonilony tamina « cousine » iray,… Ny 2016 dia maty ny zokin’io nikarakara ny sakafo io sy ny zanany andro vitsy taoriana. Tany dia efa nisy disadisa sy olona nahiana ho nanao izany ihany izay havana ihany. 2018 dia vaky ampahibemaso hoe : ianao no nanapoizina ny zokiko sy ny zanany. Efa nisy lonilony goavana. Nitombo ny disadisa taty amin’ny 2022, nahatonga ny zavatra tsy am-piheverana. Nisy fihaikena ary voarakitra an-tsoratra, hoy ny Minisitra Delege misahana ny zandarimaria Jeneraly Andry Rakotondrazaka. Nitondra ny zanany ny naterany io mpikarakara sakafo io, nitondra sakafo ho an’ny zanaky ny « cousine » anankiroa ny mpanao sakafo. Ny zanany napetrany tany ambony, nisy zaza nankinina taminy norarany ihany fa tafihinana. Tsy nivoaka ny trano raha tsy ny andron’ny fandevenana, tsy nitsapa alahelo, fa niantso ny renin’ireo zaza hoe : mifona aho fa tsy izao no nahatonga an’izao. Olona 1 na 2 no nokendreny, fa tao amin’ny fihaiken-keloka dia nambarany fa tsy noheveriny ho olona am-polony. Momba ilay vadina mpanao baolina, nambara fa hitam-poko hitam-pirenena fa misy ady, ny tompom-pety sy ny vadin’ilay mpanao baolina.
FIHAIKEN-KELOKA….
Ny fianankavian’ny nanao sakafo mivantana tsy voa, ny fianankavian’ny tompom-pety tsy naninona. Nisy fihaikena fa vita ny valifaty ! Misy ny fifandraisana an-tariby nifanaovan’ireny olona voarohirohy ireny, nisy sms,… izay efa hita tany amin’ny fanadihadiana savaranonando. Ny mety ho sazy, dia fanaovana asa an-terivozona mandra-pahafaty. Tsy tokony hatao ao anatin’ny hamehana ny famotorona, fa alalina fatratra. Manana pasipaoro ilay tovovavy tompom-pety, fa mbola tsy voamarina ny fisiana Visa. Hatao fitsarana ampahibemaso, hoy ny tonia Mpampanoa lalàna Rtoa Rakotoniaina Narindra. Tena izay ve ny marina rehetra ? Feno sy tena naharesy lahatra ary hampitsahatra ny ahiahy ? Ahoana ny mety fahatafidiran’ny filalaovana tovovavy ? Sa vitan’ny hoe : tsy ekena ny fanararaotam-paty, tsy mila korontana, handray ny SADC, handray fepetra,… ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.