Inona no tokony hampikorontana amin’io ! »
Ny Filohan’ny Fanavaozana RANDRIANIRINA Michael tenany no tonga nijery mivantana ny fahatongavan’ny sambo lehibe nitondra solika 67 000 000Litatra voalaza fa avy any Nizeria, fiaraha-miasa tamin’ny samy Firenena Afrikanina. « Ity dingana lehibe vitantsika ity dia fampisehoana ilay resaka ataoko ombieny ombieny hoe tokony hifantoka isika amin’ny fiaraha-miasa Tatsimo sy Tatsimo. Izany hoe ny Firenena Afrikanina rehefa mahay miara-miasa dia tahaka izao ny vokany. Ity izao fiarahantsika miasa amin’ny Firenena Nizerianina, izay nataoko tamin’ny roa volana lasa teo, nihaonako tamin’Andriamatoa Tinubu, Filoha Nizeria. Tohin’iny dia iny ny fahatongavan’izao sambo izao mitondra solika. Izay no manamarika fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny samy Firenena Afrikanina. », hoy ny PRRM. Mikasika ny fitsinjarana ny solika vao tonga dia nanazava ny Filoha fa ny JIRAMA no tompon’andraikitra amin’ny fanarahamaso sy fizarana. « Dingana lehibe io satria firy taona izay tsy nisy nahasahy nanana izany ny fitondrana teo aloha fa miankina amin’ny namantsika efa teo aloha. Izahay tsy manao hoe ratsy ilay namana teo aloha, fa ity no eritreretina mba hoentina manavotra ny JIRAMA satria henonareo ny fanazavan’Andriamatoa « DG » teo fa misy elanelana hatrany amin’ny 600 na 800 ariary isaky ny litatra, arakaraka ny fiovaovan’ny vidiny sy ny sandam-bola », hoy hatrany ny PRRM. Rehefa milamina tsara dia mitodika mankany amin’ny JIRAMA hoe ahoana indray no hitantanana io satria farafahakeliny io enim-bolana, raha ny nambarany. Ao anatin’ny enim-bolana izany dia tsy tokony hanana olana amin’ny solika mihitsy ny JIRAMA. Mitodika any amin’ny Jirama ny mason’ny rehetra manoloana ny halatra solika ka ny PRRM mivantana nametra-panontaniana hoe hitombo sa hihemotra ? Manonoloana ny fanambaran’ny GPM na ny Vondron’ny mpandraharahan’ny solika , « Inona moa, no antony hampikorontana ny famatsiana solika eto Madagasikara amin’io? Mba tiako ho fantatra hoe inona no hampikorontana ny famatsiana solika amin’ilay izy fa izahay mahita hoe tsy tokony hanakorontana io. Fifandaminanana no atao. Izahay anie tsy miditra any amin’ny varotra ataon’izy ireo fa ny JIRAMA izao aloha no vatsinay satria io olana ny JIRAMA io no mampijaly ny Vahoaka Malagasy e! », hoy izy nahitsy sy nitondra valin-kafatra. Ny fahatongavan’ity sambo lehibe mitondra solika avy any Nizeria ity dia heverina ho marika sy dingana vaovao eo amin’ny tantaran’ny famatsiana solika eto Madagasikara. Manokatra sehatra vaovao amin’ny fiaraha-miasa Afrikanina izany, ary manome fanantenana fa hisy fivoarana manodidina ity sehatra stratejika ity, eny fa na dia ny mba hampisokatra ny mason’ireo vondrona ara-toekarena matanjaka ihany aza hoe : afaka manao zavatra ny Malagasy...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.