Namaly bontana i Tôta, Ben'ny

tananan'Andoharanofotsy


  • Zoma 07 Novambra 2025

Aleo hampiharina eny ifotony ilay fanovana !»

Rehefa hanova ihany hoy Rakotoarimanana Henintsoa, Ben'ny tananan'ny Kaominina Andoharanofotsy dia aleo hatomboka eny ifotony mihitsy izany. Hafatra nampitainy tamin'ny Fitondrana mijoro ankehitriny io manoloana ilay kolontsaina tia vao sy sahy manda ny mpitondra. Ho tonga hatrany an-tsekoly izany raha ny nambarany ka tsy ho menatra intsony ny mpianatra sasany hitaky ny hanalana ireo mpampianatra tsy mety aminy. Efa tonga eo anivon'ny kaominina tantanany izany nanomboka omaly Alakamisy 06 Novambra. Nisy ireo olona nitaky ny hialan'ity Ben'ny tanana ity amin'ny toerany raha nisy koa miady ny mba hijanonany. Fotoam-pivavahana lehibe anefa no nasetrin'ny Ben'ny tananan'Andoharanofotsy sy ny ekipany izany taorian'ny fifampiresahana mivantana teo aminy sy ireo tsy mankasitraka azy. Nambarany fa tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana. Fitantanana ihany koa no hatao hoy izy ka raisinay tsara izay fanakianana misy hahafahana manatsara ny ho avy. Mikasa ny mbola hanao hetsika tahaka ity omaly ity moa ireo tsy mankasitraka azy rahampitso Sabotsy 08 Novambra.
Pati
Légende : Ireo olona mpomba ny Ben'ny tanana sy ireo nanohitra azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT