Najoboboka sy nijoboka tamin’ny « resaka poizina »

Nodakana i Dr Manuella Vololoniaina Nivoarisoa


  • Talata 22 Jolay 2025

Nofoanana ny fanendrena an’i Dr Manuella Vololoniaina Nivoarisoa izay

Talen’ny DVSSER (Directeur de la Veille Sanitaire , de la Surveillance Epidémiologique et Riposte) teo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, araka ny filankevitry ny minisitra manokana notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra ary ireo ministra voakasika omaly, teny Ambotsirohitra ka nandraisana ity fanapaha-kevitra ity. Nanamarika ity mpitsabo ity ny fanehoan-kevitra nataony mikasika ny raharaha Ambohimalaza tamin’ny haino aman-jery vahiny izay niteraka resabe. Nisongadina tao anatin’io ilay hoe : « Tsy te hahalala akory izay anaran’ny poizina aho, rehefa fanapoizinana dia fanapoizinana ». Mifanandrify tamin’ny lahateny nataon’ny Pr Zely Andriamanantany mikasika ny fitondran-tenan’ny mpiasan’ny fahasalamana io amin’ny fomba fandraisana ny marary, ary tafiditra tao anatin’io ny filazana fa tsy ekena ny resaka manivaiva, izay lasa ny Minisitera iray manontolo no maloto. Na izany aza, tena feon’ity tompon’andraikitra ambony ity irery no nentiny sa feon’ny Minisitera sy ny Fanjakana ? Tena niteny tamin’ny naimpony sa nampitenenina ka rehefa nangotraka dia natao sorona sy natao « fusible » eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana noho ny tsy fahombiazana ara-pahasalamana eto ka ny lehibe na ny « boss » tsy voakitikitika fa izay azo hamatrarana azy aloha no manefa na tsy fahombiazana iarahana sy lesoka miainga hatrany an-tampony aza.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT