Actualités

Naina Rabearivony Hiverina eo amin’ny fahitalavitra indray


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Fantatra izao fa hiverina eo amin’ny fahitalavitra indray i Naina Rabearivony. Andrarezin'ny televiziona ity zokibe eo amin’ny asa fanaovan-gazety ity.

Hanatontosa fandaharana politika isaky ny alahady hariva ao amin’ny fahitalavitra tsy miankina Kolo TV izy, hanasàny ireo mpanao politika vonona hiady hevitra malalaka, ary hitondra izany hevitra izany hampandrosoana marina ny firenena. Araka ny resaka nifanaovana taminy dia an-kalalahana tanteraka io fandaharana io, “Imaso-Imaso” no anarana nampisaloran'i Naina Rabearivony azy, ary tohana teknika sy fitaovam-pandefasana azy ihany ny Kolo TV. Na eo aza ny loko sy firehana politika ananan'ny mpanorina sy tompon'ny Kolo TV dia nanamafy ity mpanao gazety matihanina ity fa sasanangy samihafa izany, samy manana ny hanitra ho azy ary itarafana sahady ny fahalalahana maneho hevitra, indrindra ny demokrasia eto Madagasikara. Taonan'ny fifidianana ity 2023 ity, mahazo vahana bebe kokoa ihany koa ny adi-hevitra politika, izany hoe miha-mafàna tanteraka. Heverina fa hitondra rivo-baovao eo amin’ny adi-hevitra politika eo amin’ny haino aman-jery indray ny “Imaso-Imaso” atolotra sy tontosain'i Naina Rabearivony, izay hanomboka amin'ny alahady izao. Fantatra ihany koa fa ho raisiny an-tanana ny fandaharana “Ankitsim-po” ao amin’io Fahitalavitra tsy miankina io, hanasàny ireo sehatra tsy miankina, fiaraha-monim-pirenena, mpanao gazety sns, te haneho hevitra na hiady hevitra ary hitondra soson-kevitra momba ny raharaha sy tranga maro samihafa eto amin’ny firenena sy iraisam-pirenena.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT