tsy nangalatra aho!
Nanambara am-pahibemaso ny fialany amin’ny fiainana politika i Naina Andriatsitohaina, ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, minisitra tao anatin’ny fitondran’i Andry Rajoelina, tao anatin’ny fitondrana volomboasary nandritra ny valo taona farany. Nanambarany taorian’ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny Minisitry ny fanajariana ny tany vaovao Jeneraly Lylison de Réné fa tonga ny fotoana hialana amin’ny andraikitra ara-politika, ka nisaorany an’ireo mpiara-dia sy mpiara-miasa izay niaraka taminy nandritra ny taona maro. “Reraherako no niara-niasa taminareo,” hoy izy, manamarika ny fiaraha-mientana tamin’ny fanavaozana lalàna, ady amin’ny kolikoly, ary fanamafisana ny fanjakana amin’ny fahamarinana. Nankasitraka manokana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ihany koa izy, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana lehibe. “Manantena aho fa hihamafy hatrany izany fifampitokisana izany,” hoy hatrany i Naina Andriatsitohaina. « Najaiko ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra ary ny SMGD dia nandoa hatrany izay tokony ho alohany ho an’ny CNaPS isam-bolana. Misy ny kaonty, misy ny taratasy fanamarinana , azo aseho. Manaraka izany, Marina, nandritra taona maro dia nitantana fikambanan’ny mpandraharaha ny tenako, tahak'izay koa ny Praiministra am-perinasa. Ary noho izany andraikitra izany dia mpikambana solotenan'ny mpandraharaha teo amin’ny filankevi-pitantanana tamin’ny sehatra maro izahay. Tsy fahotana izany, fa adidy. Nisy fotoana nomem-boninahitra izahay noho izay andraikitra izay. Tsy fahotana koa izany. Fa fankasitrahana ny amin'ny asa vitanay nandritra ny taona maro. Ankehitriny, inona moa zany no tena azo anenjehana ahy ? », hoy hatrany i Naina Andriantsitohaina. “Niady tamin’ny kolikoly aho. Tsy nangalatra aho,” hoy izy nanamafy, sady nilaza fa vonona hanome antontan-taratasy rehetra manamarina ny fitantanany, na tamin’ny naha-minisitra azy, na tamin’ny naha-ben’ny tanàna azy. Notsindriny fa tsy tokony ho fahotana ny fananana safidy ara-politika, fa ny tena fahotana dia ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka. “Madio aho,” hoy hatrany i Naina Andriantsitohaina. Tamin’ny faran’ny lahateny, dia nanamafy am-pahibemaso ny fialany amin’ny politika sy ny fiainam-bahoaka i Naina Andriatsitohaina. “Tsy misy alahelo, tsy misy fialonana, fa fahatsapana fa vita ny adidy,” hoy izy, sady naneho fanantenana fa hanohy ny asa sy hanatsara ny efa natomboka ireo izay handimby azy. Nitsodrano sy nanao veloma am-pitiavana ny vahoaka sy ny mpiara-miasa rehetra izy, ary nanao hafatra farany: “Ataovy izay mety !”. Nisinda taorian’ny fanambarany ve ny mety ho fitantanana na raharaha nampiahiahy nahasaringotra azy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.