Actualités

Naina Andriantsitohaina “Efa mandeha ny fanalana ny Easy Park”


  • Zoma 13 Novambra 2020

Nanome toky ny mponin'Antananarivo aho ny handray fepetra mahakasika ny Easy Park, ary mbola mitazona izany aho ankehitriny, hoy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina.

 

Na izany, ny fanatanterahana azy dia mila atao ao anatin'ny fanarahan-dalàna. Tsy hoe akory tsy miteny isika ka tsy miasa. Fa efa mandeha ny asa. Toa anareo, efa maika koa izahay hahazo vokatra, indrindra voafetra ny fotoana hiasana, fa na maika aza, tsy mila mikoropaka, hoy izy. Nambarany fa ny CUA no handray an-tanana ny fitantanana azy io, ary ny CUA irery ihany. Tazomiko ny teny nomeko ary mbola ho avy ny fotoana hiresahana izany amin'ny mponina. Mihaino sy mandray ny fitarainantsika hatrany ny CUA ary vonona ny handray ny fepetra avy hatrany mahakasika ny fifamoivoizana sy ny toeram-piantsonana, hoy i Naina Andriantsitohaina. Tsiahivina moa, fa tamin’ny andron’ny PDS Ny Hasina Andriamanjato no nanaovana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny Easy Park. Isan’ny nohenjehana mafy tamin’izany ny Ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana, rehefa nandeha ny fitohizan-draharaham-panjakana. Ny hirariana dia hitondra tombotsoa ho an’ny mponin’Antananarivo ny fanapahan-kevitra fa tsy sanatria ho noho ny hambo-po politika na ny velirano diso toerana, ka vao mainka sanatria fihemorana no ho hita.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT