Nahandro amin’ny kitay

Sady tsiro no kolontsaina


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Samihafa mihitsy izany nahandro natao tamin’ny kitay sy natao tamin’ny entona

fandrehitra na «gaz» izany, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Tandroharena na fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny vakoka. Sady tsiro no kolontsaina, raha ho antsika antsika malagasy manokana, hoy ny mpitarika ity fikambanana ity, Eddy Jean Philippe, izany nahandro natao tamin’ny kitay izany, izany hoe, matsiro kokoa raha oharina amin’ilay iray. Iarahantsika mahita ireny fisarihana mpanjifa eny amin’ny mpanao Pizza ireny, hoy izy. Soritana manokana mihitsy hoe «cuit au feu de bois» na nandrahoina tamin’ny kitay. Mifono kolontsaina maro koa io, etsy ankilan’izay, satria teo no nihavian’ny hoe tafa amorom-patana teo amin’ny malagasy. Tsy vitan’ny hoe mampifandray ny mpianakavy fotsiny ny fanamasahana sakafo amin’ny alalan’ny kitay fa sady mitondra hazavana sy hafanana ao amin’ilay tokantrano koa. Kolontsaina mifanandrify amin’ny any firenena maro rahateo aza moa izay rehefa tena zohiana. Tsetsatsetsa tsy aritra etsy ankilan’izay ny hoe ahiana hampidi-doza kokoa ny fandrahoana sakafo amin’ny «gaz» raha mitaha amin’ny fandrahoana sakafo amin’ny kitay raha ny hita hatramin’izay aloha. Firifiry moa na teto an-toerana io na tany ivelany izay loza an-dakozia vokatry ny fipoahana entona fandrehitra izay, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT